PolitikaSongadim-baovao

FIROTSAHAN-KOFIDIANA BEN’NY TANANA : Kaominina maherin’ny 200 mbola tsy manana kandidà hatramin’ny omaly

Zary lasa fomba fanao mahazatra eto amintsika ny fiandrasana ny ora farany vao mametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana rehefa fifidianana. Ho an’ny fifidianana Kaominaly ho atao eto Madagasikara manokana, dia hifarana anio izay fahafaha-mandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana izay. Hatramin’ny omaly, dia Kaominina miisa 200 mahery no mbola tsy manana kandidà, araka ny angom-baovao.

Anio 26 septambra 2024 no voafaritra fa hikatonan’ny fanaterana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana eny anivon’ny OVEC na ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidiana isaky ny distrika manerana ny Nosy. Araka ny loharanom-baovao azo omaly , dia Kaominina 200 mahery amin’ireo Kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy no tsy mbola manana kandidà hatramin’ny omaly. Azo everina, araka izany, fa mety ho amin’ity andro farany ity vao hifamotoana eny anivon’ny OVEC ireo mpirotsa-kofidiana ireo.

Nanamarika anefa ny teo anivon’ny Ceni, omaly, fa tsy maintsy anio amin’ny 5ora hariva no mifarana ny fandraisana ny antontan-taratasy. Noho izany, ireo kandidà miandry ny ora farany tahaka izao dia tsy afaka misitraka ilay 48ora hahafahana mameno ireo antontan-taratasy tsy feno raha sanatria misy tsy fahatomombanana.

72ora kosa no ananan’ny OVEC mba andraisana fanapahan-kevitra, aorian’ny fikatonana anio. Hampahafantarina amin’ny mpirotsa-kofidiana ny vokatr’izany. Raha tsy mahafapo an’ilay mpirotsa-kofidiana ny valitenin’ny OVEC, dia miakatra eny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) foibe ny fifanolanana. Raha tsy milamina eo anatrehan’ny Ceni dia azo akarina eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ity farany izay manana ny teny farany na ekena na tsia ny firotsahan-kofidian’ny olona iray.    

Tsara marihina fa tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana manokana amin’ireo kaominina tsy nanana kandidà ny Ceni sy ny Fitondram-panjakana, amin’ny fotoana hafa, raha toa ka tsy misy kandidà hatramin’ny farany ilay kaominina. Ny datin’ny 11 desambra 2024 kosa hatreto tsy miova.

Fermer