PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA BEN’NY TANANA: Harilala Ramanantsoa no kandidàn’ny IRMAR eto Antananarivo
Tamin’ny ora farany avokoa vao samy nidodododo nihazo ny OVEC teny Isotry ireo Mpirotsa-kofidiana Ben’ny tanàna ho an’Antananarivo Renivohitra. Fantatra tao anatin’izany fa Ramatoa Harilala Ramanantsoa, Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo (PDS) no Kandidà miara-dalana amin’ny fitondram-panjakana amin’ity fifidianana ity, ho an’ny eto an-drenivohitra.
Nipetraka ho ankamantatra hatramin’ny ora farany ny kandidàn’ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Ramatoa Harilala Ramanantsoa, filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, izy no hitondra ny lokon’ny Volomboasary amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana. Tsiahivina fa efa kandidà ben’ny tanàna izy tany aloha, ary fantatry ny maro amin’ny maha mpandraharaha ara-toekarena azy.
Ny Antoko Freedom, izay mpikambana ao anatin’ny Vondron’Antoko ARMADA, dia niarahaba ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Harilala Ramanantsoa ho ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra, ary milaza fa manohana azy sy ny lisitra tarihiny amin’ny anaran’ny Vovonana « Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina », araka ny fanambarana navoakan’ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy, omaly.
“Ramatoa Harilala Ramanantsoa, izay efa nisahana ny andraikitra maha-Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, dia vehivavy feno fahasahiana matoa nanaiky hiatrika ny adidy mavesatra ho fanarenana ny Renivohitr’i Madagasikara koa mendrika hotohanana sy hamporisihana satria sarotra dia sarotra ny ady miandry azy”, hoy ny Antoko Freedom.
Antontanisa
Raha ny tarehimarika vonjimaika voaray teo anivon’ny Ceni omaly hariva dia 3854 ireo antontan-taratasy voaray tamina kaominina 1 586 amin’ireo distrika 120 manerana ny Nosy. Mbola mitohy ny fandraisan’ny ceni ny tatitra avy amin’ny OVEC ka mbola hivoatra ireo tarehimarika io. Amin’ny 8 oktobra no ho fantatra ny lisitra ofisialy. Ny 9 oktobra kosa no atao ny fisarihana ny laharan’ny kandidà. Hiroso amin’ny fanontana ny bileta tokana ny ceni aorian’izay. Hisy koa fanofanana ireo SRMV manerana ny nosy.



