PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY: Programanasa fa tsy tsangan’olona no tokony hojerena
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fifidianana Kaominaly hotanterahina eto Madagasikara ny 11 Desambra izao ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, ny faran’ny herinandro teo. Antso manokana no nataony ho an’ny vahoakan’Antananarivo ny mba tsy hijerena tsangan’olona fa mba hifantoka kosa amin’ny programanasan’ny kandidà amin’ity fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ity.
“Amin’ny maha filohana antoko dia adidy ny mitondra fanehoan-kevitra sy fomba fijery politika amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra amin’ny vanimpotoana toy ny fifidianana”, hoy ny Filohan’ny Antoko Freedom, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, raha naneho hevitra politika mahakasika ny fifidianana Kaominaly tamin’ny Fahitalavitra ny herinandro lasa teo. Ho an’ny eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manokana dia nambarany fa hafana ny fifaninanana. Notsindriany kosa anefa fa tokony ho hevitra ny hiady amin’ity fifidianana ity fa tsy resaka tsangan’olona.
Maro dia maro ny olana sedrain’ny tanànan’Antananarivo, raha ny nambarany, raha tsy hilaza afatsy ny olan’ny fampidiran-ketra. Amin’ny maha efa mpanolontain’ny tanàna azy tany aloha, dia mahalala tsara ny zava-misy eo anivon’ny fitantanana ny Kaominina Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, ary mahalala ihany koa ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, araka izany, dia tokony ventin-kevitra mahakasika ny vina entina mamaha ireo olana sedrain’ny tanànan’Antananarivo ireo no ho entina tsy fanarahana be fahatany ny tsangan’olona na anaran’olona fotsiny ihany.
Valifaty politika
Efa hadisoana nataon’ny vahoakan’Antananarivo tamin’ny taona 2015 ny fisafidianana olona tsy manana vina fa nikendry ny hanao valifaty politika fotsiny ihany. Mandrak’ankehitriny dia mbola mizaka ny fiantraikan’izay safidy izay isika. Potika ny tanàna nanomboka tamin’izany daty izany. Antso, araka izany, no nataon-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny tsy hamerenana intsony izany fahadisoana izany.
Ankoatra izay, antoka hahazoana fahamarinan-toerana ny fahazoana mpanolontsaina maro. Tokony manana andian’olona manohana azy ao amin’ny filankevitra ny ben’ny tanana mba hahafahany miasa. Manana andraikitra goavana ijery tsara ny lisitry ny mpanolontsaina, noho izany, ny mpifidy.
Raha ho an-dRavalomanana manokana, efa ambara ombieny ombieny fa tsy fampandrosoana ny tanàna velively no tanjony fa ny hanatanteraka valifaty politika. Tsy izany anefa no ilain’ny vahoakan’Antananarivo ankehitriny.
Antoko Freedom ?
Anatin’ny vondrona antoko ARMADA ny Freedom. Ny natao tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny 2019 ihany no natao tamin’ity taona ity. Izany hoe, ireo tanàn-dehibe manodidina ny 10 eo ho oe dia manohana ny atolotry ny vovonana ny antoko rehetra, toa an’Antananarivo, Mahajanga sy ny sisa. Afaka mandrotsaka amin’ny anaran’ny antoko tsirairay kosa tany amin’ny kaominina hafa sokajiana ho kelikely. Ny Antoko Freedom manokana dia nandrotsaka kandidà 98 manerana ny Nosy. Ho an’ny eto Antananarivo kosa dia efa voalaza fa manohana an-dRamatoa Harilala Ramanantsoa, natolotry ny IRMAR, ny Antoko Freedom.



