PolitikaSongadim-baovao

FAMAHANA NY OLAN’NY JIRO SY RANO: Nampiantso fivoriana maika ny Filoha Andry Rajoelina

Notontosaina maika tao amin’ ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fivoriana niarahana tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny tomponandraikitry eo anivon’ny Jirama sy ny Minisitera mpiahy. Nampita toromarika ary niara-nikaondoha momba ny fikaroham-bahaolana mahakasika ny jiro sy rano izay efa  mampimenomenona ny vahoaka ny Filoha. Tsy mandrimandry manan-draharaha ny Filoha Andry Rajoelina fa avy hatrany dia nanatanteraka ny teny nataony, afakomaly, raha nivahiny tao amin’ny Fahitalavi-panjakana TVM. Nampiantso fivoriana avy hatrany nentina handinihina ny vahaolana momba ny jiro sy rano izy omaly. Nantsoiny niatrika izany fivoriana izany ny Minisitra tomponandraikitra miisa roa, izay misahana mivantana ny jiro sy ny rano. Nampanantsoiny koa ny Tale jeneralin’ ny Jirama. Niara-nikaondoha amin’ny fikaroham-bahaolana, mba hanomezana fahafaham-po ny valalabemandry. Nahitsy ny  Filoha teo am-panombohana ny fivoriana fa «  mandalo haintany isika ka rehefa toa izao dia tsy misy orana sy rano, izay mampihena ny famokarana ny jiro izany ». Misy antony mazava tsy hahafahana miala izany ny olana misy eto amintsika. Na eo aza anefa izany , nasongadiny fa “  efa nampanantena fa hitady vahaolana haingana isika ka isan-kerinandro dia tsy maintsy misy fivoriana, mba hanarahantsika maso ny fivoaran’ ny vahaolana”. Tsy misy olana tsy misy vahaolana. Efa mby an-koditra ny olana dia nambarany fa “ misy ny famahana ny olana izay tsy maintsy hoentina ao anatin’ny fohy ezaka fa misy koa ny fametrahana ireo fotodrafitrasa lehibe, izay atao ao anatin’ny vina  lavitra ezaka”.

Mamaly ny filan’ny vahoaka…

Ireo minisitra tomponandraikitra kosa, efa nanatsidika vahaolana sahady tamin’izao fivoriana maika izao. “  Mijery vahaolana izahay amin’ ny fahafahana mamaly ilay filan’ ny vahoaka. Nodinihina tao ny vahaolana rehetra na fohy ezaka na lavitra ezaka. Momba ny herinaratra, tsy maintsy ampiakarina ny famokarana avy amin’ ny solika, mba hahafahana miatrika ny filan’ Antananarivo”, hoy ny fanazavana. Na lafo aza izany, tsy maintsy atao eo anatrehan’ ny filana. Vahaolana koa ny fametrahana ny  ivon-toerana fakana herinaratra azo avy amin’ ny masoandro. Hojerena koa ny hahafahana mamokatra orana artifisialy ary atao vaindohan-draharaha koa ireo ivon-toerana famokarana herinaratra azo avy amin’ ny tohodrano.

Tsy ny jiro ihany no nojerena fa nodinihina koa ny momba ny olan’ ny rano. « Atao izay hampandehanana ny toby famokarana rano kelikely ka hahafahana mamokatra  230 000 000 litatra isan’ andro. Atao izay handehanan’ireo simba rehetra. Ho an’ ny fitaterana rano eny amin’ ny vahoaka, ezahina ho betsaka ny fitaterana ho amin’ ireny sinibe ireny”, raha ny famahana olana fohy ezaka. Baiko, araka izany,  no nomen’ ny Filoha Andry Rajoelina, fa ho atao mazava sy mirindra ka asiana fotoana mazava tsara, ary hajaina ny fotoana nomena. Hisy ny fanaraha-maso hentitra avy amin’ireo tomponandraikitra.

Pierre M.

Fermer