Songadim-baovaoSosialy
AHIAHY TRANGAN’AMBALAVELONA TENY ITAOSY: Mpianatry ny Lisea Masina Misely maherin’ny 90 no indray lasibatra
Teny Itaosy ny maso sy ny sofin’ny mpanara-baovao rehetra omaly. Nisy ny fihetsehana karazana ambalavelona nandritra ny ora maro tao anaty fotoam-pianarana. Ankizy maherin’ny 90 no indray niharan’ity aretin-dratsy tsy fanta-pototra sy tsy mbola voaporofo ity tao anatin’ny adim-pamataranandro enina be izao, araka ny loharanom-baovao azo teny an-toerana…
Nitombo isan’ora nanomboka tamin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 01 ora tolakandro ny isan’ireo ankizy tratran’ny trangan’ambalavelona tao amin’ny Lisea Masina Misely Itaosy, omaly, ka tafiakatra latsaky ny 100 no niafarany, araka ny tatitra voaray. Teo am-pilaharana maraina hiditra an-dakilasy no nanomboka niseho ity tranga hafahafa toy ny ambalavelona ity, ka ankizy iray no torana voalohany teo an-tokontany, raha ny loharanom-baovao voaray. Taorian’izay, ankizy hafa teo am-panaovana taranja ara-panatanjahan-tena no niharany, ary nanomboka teo dia nisesy izany fahatoranan’ankizy izany, ka tao anatin’ny ora 02 monja, dia efa tafiakatra 30 ny isan’ny ankizy tratran’ity trangan’ambalavelona ity, tao amin’io Lisea Katôlika eny Itaosy io, raha ny loharanom-baovao voaray. Noravana tanteraka araka izany, ny fampianarana teo amin’ny tamin’ny 11 ora antoandro teo, satria efa tafanika maherin’ny 60 teo ny tranga niseho. Tao anatin’izany anefa, nisavoritaka ny iray sekoly, satria ireo mpianatra natahotra izay tsy mbola voa, ireo efa voa niha mitombo hatrany, ka feno hatramin’ny efitrano fandraisana marary (infirmerie) sy ny Lasapela andry Mompera. Misy ny tafarina ary misolo ankizy vaovao safotra hafa indray. Nisy mihitsy aza, voalaza fa nentina tany amin’ny hopitaly mba hahazo fitsaboana vokatry ny faharefoana sy ny fahalemen’ilay teo am-pahazoana ilay karazan’aretina.
Mitomany sy mikiakiaka mafy…
Ankizy manodidina ny 13 ka hatramin’ny 17 taona eo no tena tratran’izy io teny an-toerana, raha ny fantatra, ary ny ankizivavy no tena maro tao anatin’izany. Torana avy hatrany tsy mahatsiaro tena ilay ankizy, mikiakiaka mafy sy mitsipatsipaka, mitomany, mitraona mafy, ary misy miteny amin’ny teny tsy fantatra, ary misy aza, efa miakatra ny masony, hoy io loharanom-baovao io. Ireo mahatsiaro saina aorian’izany dia mitantara fa toa mahita olona na biby mampatahotra ka mampitsoaka azy ireo. Misy moa tsy mahatsiaro saina toy ny tsy naninona. Nisy efa nikasa hitsambikina avy teny ambony rihana fahatelo tamin’ity tranga omaly, teny amin’ny Lisea iray teny Itaosy ity, saingy voatazona, raha nisy efa lalana hamonjy fodiana no mbola tratrany ihany. Raha ny faharetan’ny fahavoazan’ilay ankizy indray, dia maharitra 05 ka hatramin’ny 10 minitra eo, amin’ny ankapobeny, ary misy aza, hiverenan’ilay tranga indray aoriana kelin’izay. Misy koa ankizy vitsivitsy naterina hopitaly mihitsy, vokatry ny fahalemeny na tsy fahatsiarovan-tenany eo am-pahazoana ilay karazan’ambalavelona.
Tranga mpiseho isan-taona?
Tranga mpiseho isan-taona ao amin’ity sekoly ity izy io, raha ny loharanom-baovao voaray hatrany, saingy tamin’ity vao tena nahoraka sy nampitolagaga ny maro indrindra, noho ny habetsak’ireo ankizy niharany. Fantatra, fa ny talata lasa teo no efa nisy ankizy miisa 04 tratran’izy io, saingy tsy nampiraika ny tompon’andraikitra, satria noheverina ho aretina tsotra fotsiny ihany izany, raha ity omaly ity no tena nahoraka sy nampitolagaga ny maro. Voalazan’ny loharanom-baovao iray aza, fat any amin’ny taona 2019 tany dia nisy trangana mpianatra samy mpianatra no mifampilaza hoe “ampatoriako io”. Rehefa matory tokoa ilay namany, dia tsy tafafoha, satria voalazan’ilay mpampatory fa misy mitondra tongolo gasy ireo manodidina nanatri-maso. Aorian’izay anefa, tafafoha ihany ilay ankizy. Efa nandraisana fepetra moa izany mpianatra izany. Maro tamin’ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity moa no nilaza, fa tsy mbola hampianatra ny zanany anio, mandra-piandry ny toromarika manaraka. Efa nisy Mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, raha ny fantatra. Hatreto aloha dia tsy mbola voamarina tanteraka hoe “ambalavelona” tokoa ity nahazo ny mpianatra tao amina sekoly iray teny Itaosy io. Raha ny hevitry ny olona sasany indray, dia an-keviny misy ankizy itoerana fanahy ratsy ary mifindra amina ankizy hafa, ka izay marefo ara-pinoana dia hifindrany avy hatrany. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha trangan’ambalavelona teny Itaosy ity.
Nangonin’i Stan R.




