PolitikaSongadim-baovao
TANÀNAN’ANTANANARIVO: “Mila olona afaka miara-miasa amin’ny Fitondrana”
Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ity anio ity no hivoaka ny lisitra ofisialin’ireo Kandidà hifaninana amin’ny fifidianana kaominaly manerana ny Nosy. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana, dia notsindrian’ny Governoran’Analamanga, sady Sekretera nasionalin’ny Antoko TGV, fa olona afaka hifanome tanana amin’ny Fanjakana foibe no mila apetraka mba hitohizan’ny fampandrosoana efa natomboka, ary indrindra hamahana ireo olana ara-tsosialy mbola iainan’ny mponina.
Ramatoa Harilala Ramanantsoa no Kandidà natolotry ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, ary manohana azy avokoa ireo Antoko Politika sy mpikambana ao anatin’izany Vovonana izany, hoy Hery Rasoamaromaka, Governoran’Analamanga, sady Sekretera nasionalin’ny Antoko TGV. Izy izay nandiso ny filazana fa manana kandidà hafa tohanana ny mpiara-dia amin’ny Fitondram-panjakana ho an’ny eto Antananarivo.
Fanapahan-kevitra tsara ho an’Antananarivo ny fananana kandidà afaka miara-miasa amin’ny Fanjakana foibe, raha ny fanehoan-keviny. Zava-dehibe izany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny fanatanterahana ireo tetikasa maro samihafa mamaly ny filàn’ny vahoaka. Ny olana, hoy izy, raha olona avy amin’ny fanoherana no tonga eo amin’ny toerana dia ny handrava ny Fanjakana mijoro no tarigetrany, ary hitarika fanakorontanana. “Fanontaniana apetrako foana ny hoe hidina ve ny vidin’entana raha misy ny savorovoro? Ho vita ve ireo lalana simba raha hisy ny korontana? Mazava ho azy, tsia ny valiny”, hoy ny fanazavany. Nanamafy ny voalazan’ny Filoha Andry Rajoelina ny tenany tamin’ny filazana fa tsy tokony hatao sehatra ifandranitana ara-politika intsony Antananarivo fa tokony ho maodely amin’ny fampandrosoana.
Kajy politika ?
Amin’izao fotoana dia efa mandeha ny famahana ireo olana iainan’ny vahoakan’Antananarivo, raha tsy hilaza afatsy ny fanamboarana ireo lalana simba. Diso, hoy izy, ny fanambaran’ireo mpanao politika izay milaza fa kajy politika mialohan’ny fifidianana ny fanamboarana ireo lalana simba eto an-drenivohitra ankehitriny. Nazavainy omaly fa lava dia lava ny pitsopitsony araka ny lalàna tsy maintsy arahina raha hanatanteraka asa toy ny fanamboaran-dalana, ka izao vao feno ny fepetra rehetra hahafahana miroso amin’izany. “Amiko na adiny iray mialohan’ny fifidianana aza ka misy lalana mbola tokony hamboarina dia tsy olana amiko satria mahasoa ny vahoaka izany, fa tsy misy idiran’ny kajikajy politika”, hoy hatrany i Hery Rasoamaromaka.
Vonona ny IRMAR
Niaiky ity mpikamban’ny Birao politikan’ny IRMAR ity omaly fa misy Kaominina vitsivitsy tsy hananan’izy ireo Kandidà manerana ny Nosy. Notsindriany fa tsy isa loatra no enjehina amina firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina fa izay olona hita fa mahatoky sy tsy hivadika, ary hita fa manana herijika ho lany, no narotsaka.
Manoloana ny serasera mafy dia mafy ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana kosa ho an’ny kandidàn’izy ireo, dia nilaza i Hery Rasoamaromaka omaly fa efa manana ny paikadiny koa ny IRMAR, ary efa vonona, fa tsy izay mitabataba akory no tena zavatra.




