Songadim-baovao

FIVORIAN’NY TOMPONANDRAIKITRA AMBONY : Tohizina ny fanatsarana ireo toromarika sy ny ezaka vitan’ny Zandary

Nanatanteraka fivoriana ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria manerana ny Nosy, omaly tamin’ny alalan’ny « visioconférence ». Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanohizana ireo toromarika nomena nanomboka ny taona 2020 sy ny fanohizana ny ezaka vita. Ankoatra izay, lohahevitra maro no nivoitra ho fanatsarana ny asa ho fampahombiazana ny asa mipaka amin’ny vahoaka…

 

Nitarika ny fotoana, ny Seg Jly Ravalomanana Richard.

Notontosaina omaly ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony miisa 83 eo anivon’ny Zandarimaria  manerana ny Nosy, tamin’ny alalan’ny « visioconférence ». Nitarika izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria,  ny Jly Ravalomanana Richard  sy ny Jly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ary nandrindra ny fivoriana ny Jeneraly Mpandrindra ankapobeny ny asa ara-stratejika. Niditra nifandray mivantana koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard teo am-panokafana ny fivoriana ka nanome fankasitrahana tamin’ireo ezaka maro nataon’ny Zandarimaria, ary nanome toromarika, mba hanohizana ireo ezaka efa vita. Nivoitra nandritra ny fivoriana ny tomban’ny asa notanterahina, araka ireo tondrozotra nomena nandritra ny taona 2020, ary  ny toromarika vaovao hotanterahina. Nisandrahaka tamina lohahevitra maro ny fivoriana, ka tafiditra tao anatin’izany ny fanatanterahana ny asa amin’ny maha matihanina.

Asa mipaka amin’ny vahoaka…

Tamin’ny alalan’ny resaka ampitain-davitra no nivorian’ireo tomponandraikitra ambony.

Nisongadina nandritra ny fihaonana tamin’ny alalan’ny « visioconférence » ny fandinihina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Isan’ireny ny momba ny halatr’omby, ny asan-jiolahy, ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ary ny famongorona ireo mpimasin-dahalo sy ny maro hafa. Tanjona amin’izao fivoriana izao ny fandrindrana asa mahomby mipaka amin’ny vahoaka. Ifotorana misimisy kokoa ny lentan’ny fiofanana sy ny mari-pahaizana.

Tsy nohadinoina ny fijerena manokana ny fankasitrahana sy fampirisihana ireo mpanatanteraka eny an-tsehatra. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fitantanana arakasa ireo olom-pehezina. Fositry ny tsy fandriampahalemana ilaina paikady matotra ny momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana.

Nandray anjara mavitrika avokoa ireo mpizaika nahitana ireo Tale eo nivon’ny Seg sy ny  COMGN, ireo avy ao amin’ny Kaomandin’ireo sekoly, sy ireo Kaomandin’ny CIRGN sy ny vondron-tobim-paritra. Tsy nohadinoin’ny  Seg, ny Jly Ravalomanana Richard ny nanolotra fisaorana ho an’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra, namela malalaka ny Zandarimaria hanatanteraka ireo andraikitra tandrify ka afa-mandray fepetra manoloana izay rehetra mandika lalàna na iza na iza. Maro ireo tombontsoa sy antony tsapa nandritra ny fampiasana ny « visioconférence ». Isan’izany ny fitsitsiana fotoana, fampiharana ny fepetra manoloana ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus…

Tags
Fermer