PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA KAOMINALY 2024 : Miisa 5 389 ireo lisitry ny kandidà nahafeno fepetra

Amin’ity anio ity no hiroso amin’ny fisarihana ny laharan’ny kandidà ao anatin’ny bileta tokana, isaky ny distrika, ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, taorian’ny namoahan’izy ireo ny lisitra ofisialin’ireo Kandidà hifaninana amin’ny fifidianana Kaominaly, izay ny 11 desambra ho avy izao.

Ahitana lisitra mpirotsa-kofidiana avokoa ireo Kaominina miisa  1695 manerana ny Nosy, araka ny fantatra taorian’ny fivoahan’ny lisitra ofisialin’ireo mpirotsa-kofidiana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, omaly. Miisa 5 389 ny totalin’ireo lisitry ny mpirotsa-kofidiana voarakitra ao anatin’ny lisitra ofisialy navoaka omaly. Ny 1860 amin’izany dia natolotry ny Vondron’Antoko Politika, ny 1 081 natolotry ny Antoko, ary ny 2 448 dia mahaleotena.

Araka ny fanamarihana nataon’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana omaly, Dama Arsène Andrianarisedo, dia manodidina ny 1 hatramin’ny 8 ny isan’ny lisitry ny mpirotsa-kofidiana isaky ny Kaominina. Araka ny fanazavana hatrany dia Kaominina valo no ahitana lisitra valo. Kaominina 30 ahitana lisitra fito, kaominina 68 ahitana lisitra 6, Kaominina 152 ahitana lisitra 5, Kaominina 310 ahitana lisitra 4, Kaominina 534 ahitana lisitra 3, Kaominina 512 ahitana lisitra 2, ary Kaominina 81 ahitana lisitra iray.

Miisa 57 174 kosa ny fitambaran’ireo kandidà amin’ireo lisitra 5 389. Raha hiverenana ny isa tamin’ny taona 2019, dia niisa 53 479. Izany hoe, nahitana fitombony 3 695 isa, izay manome ny salanisa 6, 90% ireo kandidà.

Maro an’isa ny lehilahy

Tsara tsiahivina fa ny fomba hifidianana amin’ity fifidianana Kaominaly ity, araka ny voalazan’ny lalàna, dia fifidianana lisitra. Noho izany dia ny lohalisitra no fidiana ben’ny tanàna, ary ny mpiray lisitra kosa no fidiana ho mpanolontsaina. Amin’ireo 5 389 kandidà Ben’ny tanàna ireo dia 5 062 no lehilahy ary 327 ireo vehivavy. Ho an’ny salan-taona kosa indray dia 667 ireo eo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 35 taona, 2 172 no eo anelanelan’ny 36 ka hatramin’ny 50 taona, ary 2 550 no mihoatra ny 50 taona.

Araka ny tetiandro moa dia anio 9 oktobra no ho atao ny fisarihana ny laharan’ireo kandidà tsirairay isaky ny distrika, izay hamaritra ny filaharan’ireo kandidà ao amin’ny bileta tokana, sy ny filaharana amin’ny fidirana ny haino aman-jerim-panjakana. Fanamby ho an’ny Ceni ny zotram-pifidianana tsara omana, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana.

Fermer