Fanadihadiana ManokanaToekarena
KODIARANDROA ELEKTRIKAManomboka amin’ny 3 tapitrisa ariary ny vidiny
Mahazo vahana ny fahalotoan’ny rivotra an-tanàn-dehibe ary antony iray mahatonga izany ny setroka avy amin’ireo fiara mifamezivezy. Vahaolana azo ampiharina ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo fitaovam-pitaterana elektrika. Ho an’ny kodiarandroa elektrika, ohatra, dia manomboka amin’ny 3 000 000ariary hatramin’ny 6 100 000ariary ny vidiny tao amin’ny tranom-barotra iray nanontanianay.
Fandotoana mahazo vahana an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe ny fahalotoan’ny rivotra. Antony voalohany mahatonga izany ny setroka ratsy avoakan’ireo fitaovam-pitaterana atosika milina mampiasa solika toy ny fiara, kodiarandroa sy kodiarantelo. Ankilany anefa, mihabetsaka manaraka ny fitombon’ny mponina ny isan’ny fiara mifamezivezy eto amintsika, raha ny fanazavana nentin’ny Général de Division Reribake Jeannot, Tale Jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). Manodidina ny 400 000 isan-taona ireo fiara mifamezivezy eto Madagasikara. Antontanisa niainga avy amin’ny isan’ireo fiara tsy maintsy manao fitsirihana isan-taona eny amin’ny foibe fitsarana fiarakodia ireo saingy heverina fa mbola mihoatra noho ireo ny isan’ny fiara mifamoivoy manerana ny Nosy.
Voafaritry ny Didim-panjakana 69-41/2000 tamin’ny 06 jolay 2000 ny famehezana ny setroka avoakan’ireo fiara eto amintsika. Io lalàna io izay mametra fa arahi-maso avokoa ny setrok’ireo fiara izay mivezivezy eto amintsika. Tamin’izany indrindra no nanazavan’ny tompon’andraikitra fa misy sokajiny ny setroka maloto avoakan’ireny fiara ireny: misy ny setroka mainty, setroka manga, ary setroka volon-davenona izay tena manetroka be. Miainga amin’ny fijerena ireo lokona setroka ireo no hahafantatra ny fototry ny ola amin’ny fiara iray ka mahatonga azy manao fandotoana. Araka izany, isan’ny fototry ny olana matetika ka mahatonga ny fiara hamoaka setroka maloto ny kalitaon’ny solika, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Olana faharoa ihany koa ny fampifangaroana solika ampiasaina amin’ny fiara izay efa mahazo vahana ankehitriny. Izany hoe misy ny manafangaro ny “gasoil” sy ny “pétrole” kanefa ny fitambaran’ireo dia mahatonga ny fiforonana setroka tena manempotra.
Araka ny voalazan’io Didim-panjakana io hatrany, fepetra raisin’ny DGSR manoloana ireo setroka mpandoto avoakan’ny fiara ny fisintonana ny taratasy fitanana an-tsoratra ny fitsirihana teknika natao, raha tena be loatra ny setroka. Haverina amin’ny tompon’ny fiara kosa izany rehefa vita ny fanamboarana natao tamin’ny fiara. “Izany hoe misy ny fepetra efa raisin’ny DGSR mahakasika ny tontolo iainana sy ny setroky ny fiara eto amintsika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Tale Jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia. Araka izany, manodidina ny 2 000 isan-taona ireo fiara voasintona izay taratasy fitanana an-tsorana ny fitsirihana teknika natao izay noho ny fisian’io setroka mijolofotra io. Midika izany antontanisa izany fa betsaka ireo fiara mandray anjara amin’ny fahalotoan’ny rivotra eto Madagasikara. Isan’ny olana amin’ny fanatanterahana ny asa fanaraha-maso eny an-dalambe, hoy ny avy amin’ny DGSR, ny tsy fisian’ny fitaovana fandrefesana ny entona avoakan’ny fiara. Mbola tomba-maso hatreto ny fitsirihana ataon’ireo tompon’andraikitra eny an-kianja. Manoloana izany dia mangataka fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEEDD) ny DGSR eo amin’io lafiny fampitaovana io. Tanjona ny hampanarahan-dalàna ny fifamoivoizana ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana.
Fampiroboroboana ireo fitaovam-pitaterana elektrika…
Manoloana io zava-misy amin’ny fandotoana rivotra avy amin’ny setroky ny fiara io dia iray amin’ireo vahaolana tsara indrindra ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo fitaovam-pitaterana elektrika na fitaovam-pitaterana mandeha amin’ny herinaratra. Efa manomboka mahazo vahana ny fitodihana amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo ankehitriny, indrindra eto Antananarivo. Amin’ny karazany maro ihany koa izy ireo izay ahitana fiara, kodiarandroa, bisikileta ary “trottinette”. Mandray anjara betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ireo fitaovam-pitaterana fahananana herinaratra ireo: tsy mamoaka setroka mandoto rivotra izy no sady tsy misy feo manakotaba fiarahamonina ihany koa. Noho izany, maro ny olona efa voasarika amin’ny fanjifana fitaovam-pitaterana elektrika, raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina. Nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpandraharahana iray no nahafantarany fa manomboka tsy maharaka ankehitriny ny tolotra omen’ireo mpandraharaha mpivarotra fitaovam-pitaterana elektrika satria ambony ny filàna eto amintsika. Betsaka mpividy indrindra hetreto ny kodiarandro elektrika.
Iray amin’ireo mpandraharaha mivarotra izay kodiarandroa elektrika eto Madagasikara izay ny Tanjaka Motors. Nohazavain’i Ony izay tompon’andraikitra ao amin’izany tranom-barotra izany fa “hita fa efa mirona kokoa mankany amin’ny fampiasana ny elektrika ny mponina eto Madagasikara”. Antony nahatonga azy nilaza izany ny fivoaran’ny varotra tao amin’izy ireo. Tao anatin’ny 2 taona mantsy izao no nivarotra fitaovam-pitaterana elektrika ny Tanjaka Motors. Raha toa ka kodiarandroa nanodidina ny 6 isam-bolana eo no lafon’izy ireo tany am-boalohany dia efa tafakatra hatramin’ny 25 isa izany ankehitriny. Iray amin’ireo antony mahatonga ny olona hisafidy ny fampiasana io kodiarandroa elektrika io ny kalitao sy ny fiakaran’ny vidin’ny solika matetika.
Ankilany, antony mahatonga ny olona sasany tsy mbola voasarika amin’ny fampiasana ny fitaovam-pitaterana elektrika ny vola mivoaka amin’ny famaharanana azy sy ny tanjaky ny herinaratra eto amintsika. Nohazavain’ny tompon’andraikitra anefa fa tsy tokony hampiahiahy ny mpanjifa izany. Ora 4 hatramin’ny adiny enina eo ny fotoana lany amin’ny famahanana kodiarandroa elektrika iray. Manodidina ny 2 000ariary ny saran’ny herinaratra lany mandritra izany fotoana izany, raha ny fanazavan’i Ony hatrany. Afaka hamahanana azy rehefa herinaratra manana tanjaka manomboka amin’ny 220V. Izany hoe tsy misy toerana manokana tsy maintsy hamahanana herinaratra azy fa na any an-tokantrano aza dia azo tanterahana tsara izany. Rehefa voafahana tsara kosa ny kodiarandroa iray dia maharitra 70Km hatramin’ny 120Km eo ny halavirana vitany, arakaraky ny karazany, izay vao miverina mitady vahana indray izy. Ho fehiny, araka izany, maro ny tombony azo amin’ny fampiasana kodiarandroa elektrika. Manomboka amin’ny 3 000 000 ariary hatramin’ny 6 100 000 ariary ny vidin’ny iray amin’izany ho an’ny tranom-barotra iray nanontanianay.
Ankoatra ireo fiara, mila jerena akaiky ihany koa ny momba ireo kodiarandroa mpandoto tontolo iainana. Tolon-kevitra avy amin’ny DGSR ny hoe tokony handalo fitsirihana teknika ny kodiarandroa eto amintsika. Ny fanatanterahana izany dia hahafahana manatsara ny kodiarandroa, hahafahana mananana anngon’antontanisa momba azy ireo ihany koa, ary hahafahana mifehy azy “satria ny fifamoivoizana an-drenivohitra dia misy ifandraisany amin’ny filaminana”, hoy ny avy amin’ny DGSR.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



