Songadim-baovaoSosialy

FAMPANANAN’ASA MENDRIKA: Mpandray mpiasa avy any Canada ho avy eto Madagasikara amin’ny herinandro

Iray amin’ireo firenena mahaliana teratany malagasy maro hisehatra amin’ny tontolon’ny asa ny any Canada. Anton’izany ny hoe manolotra soa fanararaotra ho an’ireo tanora te hivoatra any aminy i Canada. Ambony ny filàna mpiasa any an-toerana tato anatin’ny taona maromaro izao kanefa tsy maharaka ny tinady misy ao anatiny. Antony nahatonga an’i Canada nametraka ny paikady fisokafana amin’izao tontolo izao eo amin’io lafiny fandraisana mpiasa io. Vokany, lasa ambohim-pihaonan’ireo olona mpila ravinahitea avy amin’ny firenena marolafy ny ao Canada ankehitriny. Malaza ho tsara kokoa ny fepetra arak’asa any an-toerana mitaha ny amin’ny firenena hafa efa matetika betsaka mpiasa malagasy, toy ny ao Frantsa.

Na eo aza anefa io filàna arak’asa misy any Canada ioe dia mampatsiahy hatrany ny tompon’andraikitra fa mila ao anatin’ny fanarahan-dalàna hatrany ny fandehanana miasa any ivelany. Antony nahatonga ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) hifampiraharaha mivantana amin’ireo mpandray mpiasa any Canada. Izany no natao dia mba hampitomboana bebe kokoa ny antoka ho an’ny tolotr’asa iray. Izany hoe tsy atahorana hisy ny lainga sy ny fitapitaka mandritra ireo fotoana fandraisana mpiasa ireo fa mandeha manaraka ny lalàna avokoa n’y rehetra. Vokatr’izay fiaraha-miasa izay, mpampiasa sy mpandray mpiasa kanadianina maro no ho avy eto Madagasikara manomboka amin’io herinandro ho avy io. Izany hoe ny 16 hatramin’ny 25 oktobra 2024. Ho avy eto amintsika izy ireo hanatanteraka sivana s’y hitafa mivantana amin’ireo mpiasa malagasy maneho fahavononana ny hiasa any Canada. Mikarakara io fahatongavana mpampiasa kanadianina eto amintsika io moa ny MTEFoP sy ny Corporation de Développement Économique de Victoriaville et sa Région ( CDEVR) ary ny HR. Pro izay mpiara-miasa amin’izy ireo. Alefa mialoha an’habaka koa ny taratasy fangataha’asa ho an’ireo izay liana amin’ny tolotr’asa.

Tsara ny manamarika fa efa nampahafantarana ny rehetra any amin’ny pejin’ny Ministera ny andinindinin’ireo tolotr’asa misokatra ho any Canada ireo. Maromaro izy ireo ka isan’izany ky ‘’éléctromécanicien na mécanicien industriel, carreleur, laveur de camion, mécanicien poids lourd, mpitantana tetikasa amin’ny ventilation sy estimateur, ary mpitantana tetikasa amin’ny resaka tuyauterie. Mbola misy ihany koa ny fandraisana mpiasa matihanina amin’ny resaka Plomberie sy fandraisana mpanara-maso amin’io sehatra io, ary farany ny fandraisana mpiasa mahay n’y resaka rivotra.

Antenaona, noho izany, fa hitondra tombony betsaka amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika eto Madagasikara io fiaraha-miasa matihanina io.

Fermer