Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANDEFASANA OLONA HIASA ANY IVELANY: Olona anjatony voasolokina lehilahy iray, vola 200 tapitrisa Ariary no efa azony
Lehilahy iray 34 taona no voasambotry ny Polisin'ny SRPJ SAVA tao Sambava ny 11 oktobra lasa teo noho ny fisolokiana sy fampiasana taratasy hosoka. Mpisoloky amin'ny resaka fandefasana olona any ivelany ny tenany. Efa anjatony ireo olona voasolokiny ka vola mitentina 200 000 000 Ar no efa azony.
Mpisoloky lahy 34 taona iray amina resaka fandefasana olona mankany ivelany indray, no voasambotry ny Polisy, ny zoma 11 oktobra lasa teo, tany Sambava, faritra SAVA. Ity farany, izay voarohirohy tamina fisolokiana sy fampiasana taratasy hosoka. Ity farany, izay milaza fa mahita asa any Canada, ary mampiasa kaonty hosoka ao anaty tambazotran-tserasera “facebook” mitondra ny anarana « Cabinet Mirindra ». Marihina, fa vola mitentina 2 500 000 Ar ka hatramin’ny 2 800 000 Ar no alainy amin’ireo olona voasolokiny. Taratasy hosoka avokoa anefa, no omeny ao anatin’izany, toy ny pasipaoro sy fahazahoan-dalana hiasa. Vao azony ny vola tadiaviny dia manjavona tsy hita izy, no sady tapahany ny fifandraisana amin’ireo olona voasolokiny. Efa an-jatony ireo olona voasolokin’ity lehilahy ity tamin’io asa ratsy fanaony io, ary volabe mitentina 200 000 000 Ariary no efa azony tao anatin’izany. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha aorian’ny fanadihadiana.




