PolitikaSongadim-baovao

IAVOLOHA : Masoivoho roa no nanolotra ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara

Masoivoho roa no nanolotra ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohan’ny Repoblika, omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Anisan’izany ny  masoivohon’ny Repoblikan’i Italie, Andriamatoa Alberto Vecchi sy ny masoivohon’ny Repoblikan’i Rwanda Andriamatoa Emmanuel Hategeka. Ankoatra ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika amin’ireto firenena vahiny ireto dia anisan’ny nasongadin’ny  Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, manokana ny hifampizaran’izy ireo ny traikefa ananany sy ny hitodihan’ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana. Isan’ireo sehatra laharam-pahamehana, ohatra, ny fanovana eo amin’ny fambolena, ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny fotodrafitrasa, izay tena zava-dehibe eto amin’ny tany sy ny Firenena. Tiana ny mampahatsiahy, fa efa nandray ny mpandraharaha emirati, Mohamed Alabbar, Filoha Mpanorina ny « Emaar Group », ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Naneho ny fahavononany hiara-dia amin’i Madagasikara amin’ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny sehatra maro ity mpandraharaha ity, ary izany no nodinihina niaraka tamin’ireo minisitra isan-tokony. Anisan’izany ny fananganana toerana fandraisam-bahiny sy ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fanamboarana lalana, ny fampivoarana ny sehatry ny angovo ary ny indostria mpanodina vokatra…

Araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, hatrany fa dia “voninahitra ho antsika eto Madagasikara, ho antsika Malagasy ny hoe manana olona afaka hiaraka amintsika hanova ny firenena amin’ny  sehatra maro na ny fambolena, na ny fizahantany indrindra indrindra”. Nambaran’i Mohamed Alabbar fa mahaliana azy tokoa ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny fizahantany sy ny resaka « agro-industrie ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer