PolitikaSongadim-baovao

FAMPIELEZAN-KEVITRA MIALOHAN’NY FOTOANA : Tsy maintsy hahazoana alalana ny famoriam-bahoaka rehetra

Mbola tsy anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra isika eto Madagasikara. Midika izany fa mbola anaty vanim-potoana tsotra isika, ka ny hetsika famoriam-bahoaka rehetra ao anatin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, dia tsy maintsy hahazoana alalana avokoa vao azo tanterahina, na anaty toerana mifefy, na an-kalamanjana.

Mangalatra fiaingana. Io no namaritan’ny mpanara-baovao ny fihetsiketsehana sy ny fidinana andalambe tanterahin’ny Kandidàn’ny fanoherana tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Misy kosa ireo milaza fa tsy fatokisan-tena no anton’izany. Na inona na inona anefa no andikana azy, dia tsy fanarahan-dalàna hatrany no nataon’ity kandidàn’ny Firaisankina ity, noho isika tsy mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra. Nampahatsiahy ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo, fa rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra vao mihatra ilay “régime déclaratif” na ilay fampilazana fotsiny ihany rehefa hanao hetsika na famoriam-bahoaka. Fa rehefa mbola vanim-potoana alohan’ny fampielezan-kevitra kosa, dia mitovy amin’ny vanim-potoana tsotra rehetra, ka “régime d’autorisation” no mihatra. Izany hoe, tsy maintsy hahazoana alalana mialoha daholo ny fihetsiketsehana sy ny famoriam-bahoaka atao rehetra.

Fampahatsiahivana ihany no anjara andraikitry ny Prefen’Antananarivo. Andraikitr’ireo kandidà hafa mifaninana aminy eto Antananarivo kosa no mitoroka ny tsy fanarahan-dalàna any amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), izay mety iafara amin’ny fanesorana an-daharana mihitsy, araka ny angom-baovao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer