Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIONDRANANA AN-TSOKOSOKO ANY MAYOTTE: Teratany somaliana 15 sarona tao Agnalagnabe

Misy hatrany ireo teratany vahiny sarona amina fiondranana an-tsokosoko ho atsy amin’ny Nosy rahavavy Mayotte.  Nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny komandin’ny borigady ao Maromandia mikasika andian’olona tsy miteny gasy najanon’ny fiara tao Ambodimanga, fokontany Marovato Atsimo, kaominina ambanivohitra Maromandia, distrikan’ Analalava, izay nanohy ny dian’izy ireo mankany antafian’ny Agnalagnabe ao amin’ io toerana io ihany, afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina. Tamin’ny 9 ora alina no tonga tany an-toerana ny komandin’ny borigady sy ny namany. Vokany, tra-tehaka tao Agnalagnabe tokoa ny olona miisa 15 ka vehivavy ny efatra. Rehefa nohadihadiana, dia teratany somaliana izy ireo, ka ny roa tsy nahitana pasipaoro teny aminy. Tsy mbola tonga tao an-toerana ny vedety, izay haka azy ireo, tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia natao andrimaso ao amin’ny Biraon’ny Borigadin’i Maromandia izy ireo. Tsy vao izao no nisy tranga toa izao, ho an’ireo olona mikasa hiondrana an-tsokosoko ao amin’ny Nosy rahavavy atsy Mayotte, fa efa matetika mihitsy.

Olona 22 no efa sarona…

Vao tamin’ny tapaky ny volana septambra 2024 lasa teo, no nisy olona maromaro tra-tehaka. Teo am-pikasana ny hiondrana an-tsokosoko ho atsy amin’ny Nosy rahavavy  Mayotte, ireo olona 22 no saron’ny zandary tampoka tao Ambanja. Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Nosy Be sy Ambanja mahakasika fisian’ireo andian’olona mikasa hiondrana an-tsokosoko mandeha sambo haingam-pandeha hihazo an’i Mayotte. Taorian’izay, nanao ny fanamarinam-baovao avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria, ka voamarina tokoa ny fisian’ireo andian’olona ireo tao amin’ny toerana antsoina hoe Antoremba, fokontany Ladoany, kaominina ambanivohitr’Ambohimena distrikan’Ambanja. Efa teo am-piaingana mihitsy izy ireo, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary no izao tra-tehaka tsy afa-niala izao. Vokany, olona 22 izy ireo, ka nahitana lehilahy fito, vehivavy 11, ankizikely efatra. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo koa ny olona roa nikarakara izao fandehanana hiondrana an-tsokosoko. Nitohy avy hatrany ny fisavana nataon’ny zandary ka nandritra izany no nahitana gony miisa 29, feno rongony milanja 650 kg, gony 39 feno toaka « Sambo » mitontaly 1 000 litatra.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer