PolitikaSongadim-baovaoToekarena

OLAN’NY HERINARATRA : Hafainganina ny fanatanterahana ireo tetikasa mitondra vahaolana

Miara-miaina ny olan’ny famatsiana rano sy jiro avokoa ny rehetra ankehitriny, indrindra ny eto an-drenivohitra. Mipetraka ho isan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny famahana izany olana izany. Porofon’izany ny fitondrana vahaolana maika ho an’ny famatsian-drano eto Antananarivo, nandritra ny herinandro izay. Omaly, dia ny olan’ny jiro indray no nanaovana fivoriana manokana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Taorian’ny famahana ny olan’ny famatsiana rano eto Antananarivo, ny herinandro lasa teo, dia ny mahakasika ny herinaratra indray no imason’ny Filoham-pirenena. Araka izany dia nisy ny fivoriana faharoa miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena izay natao tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny maraina teo. Nitarika ny ekipan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’izany ny solotena maharitra, Atou Seck. Nandray anjara tamin’ity fivoriana ity ihany koa ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Jean-Baptiste Olivier, sy ny Tale jeneralin’ny Jirama, Ron Weiss.

Nandritra ity fivoriana ity indrindra no nanipihan’ny filoha Rajoelina fa maika ny famahana ny olan’ny Jiro sy Rano. Misy fiantraikany mivantana amin’ny asa fampandrosoana izany, na fampandrosoana isam-batan’olona, na isan-tokatrano, na ny fampandrosoana ny firenena. Mahakasika ny jiro manokana dia notsiahivin’ny Filoha fa 250 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola tsy maintsy aloan’ny Fitondram-panjakana ho an’ny Jirama isan-taona. Mitovy amin’ny vola natokana ho an’ny “investissement public”, na PIP, izay anaovana ireo asa fampandrosoana, voafaritra ao anaty tetibola-panjakana.

Hafainganina ny fanatanterahana ireo tetikasa

Ny hanafainganana ireo tetikasa iaharana amin’ny Banky iraisam-pirenena no tanjon’ny fivoriana omaly teny Iavoloha. “Mila vahana ireo sakana rehetra mampihisatra ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo” hoy ny Filoha. Tetikasa roa no noresahana tao Iavoloha, dia ny tetikasa LEAD na “projet de développement à moindre coût de l’accès aux services électriques”, sy ny tetikasa DECIM na “projet Connectivité numérique et énergétique pour l’inclusion à Madagascar”.

Ny taona 2019 no vita sonia ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena mahakasika ny tetikasa LEAD. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo dia isan’ny sahanin’ny tetikasa LEAD ny “branchement mora”. Tanjon’ny “Branchement mora” ny ampitombo ny tahan’ny mponina misitraka Jiro. Hatreto matsy dia tsy mbola misitraka jiro avy amin’ny tambazotran’ny Jirama ny 70% ny mponina eto Madagasikara.

Fialana amin’ny fampiasana jiro “pétrole”

Mahatratra 200.000 ny isan’ny “Branchement mora” enjehana, hoy ny minisitra Jean-Baptiste Olivier. 40.000 no mbola vita hatreto. Tokony hihazakazaka kokoa izany araka ny toromariky ny Filoha tao Iavoloha. Misy mantsy ireo fitaovana anatontosana izany no efa tonga eto an-tanindrazana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa LEAD ihany koa ny fizarana ireo “Kits solaires” miisa 440.000.

Misy ampahany mahakasika ny fizarana “Kits solaires” ihany koa ny tetikasa DECIM izay nanomboka ny taona 2023. Miisa 800.000 kits ny ho zaraina amin’ny alalan’ny DECIM. Raha atambatra izany dia 1.240.000 kits solaires no tokony hositrahan’ireo fianakaviana sahirana sy tsy mahazo jiro avy amin’ny tambazotran’ny Jirama.

Mandray roa ny vokatsoan’ity tetikasa “Kits solaires” ity. Eo ny fisitrahana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro izay angovo madio. Fa ihany koa ny fitsisiana ara-bola satria ahafahana miala amin’ny fampiasana labozia sy jiro petrole izany. Misy tombontsoa ho an’ny fahasalamam-bahoaka ihany koa araka izany.

Ho an’ny asa fampandrosoana ny firenena amin’ny an-kapobeny ihany koa dia misy tombotsoa izany satria afaka manena tsikelikely ny famatsiam-bola ny vidin’ny petrole eny amin’ireo tobim-tsolika ny Fanjakana, satria tsy hila hampiasa jiro petrole intsony ireo ankohonana marefo. Araka izany dia azo ampiasana amin’ny fanatontosana tetikasa-pampandrosoana hafa izany vola izany.

Misy fiantraikany mivainga ara-tsosialy ihany koa ireo tetikasa LEAD sy DECIM satria isan’ny tanjona ny isitrahan’ireo fianakaviana tena sahirana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro izany noho ireo “kits solaires”. Ao anatin’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra na Objectif de developpement durable mantsy ny hoe “acces a l’energie pour tous”. Misy ampahany ho famatsiana herinaratra ho an’ireo CSB sy toeram-pianarana miankina amin’ny fanjakana.

Angovo azo havaozina

Ampahany lehibe amin’ny tetikasa DECIM ny “hybridation”, na ny famadihana ny ampahany amin’ny herinaratra vokarin’ireo toby mandeha amin’ny solika, ho angovo azo avaozina. Amin’ny alalan’ny fametrahana “centrales solaires” hanohanana ny famokaran’ireo herinaratra mampiasa solika ny hanaovana izany. Hanamafy ny famokarana herinaratra izany, ary koa hanena ny fandaniana vola amin’ny fividianana solika hampiodinana ampiodinana ireo groupes thermiques.

Misy ihany koa ny tetikasa mahakasika ny “mesure d’urgence de la JIRAMA” ao amin’ilay tetikasa DECIM, izay fanavaozana ireo fitaovana fitaterana herinaratra. Tahaka ny olan’ny rano dia efa antitra sy tsy maharaka ny filan’ny mpampiasa herinaratra intsony ireo fitaovana fitanterana herinaratry ny Jirama eto amin’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo na RIA.

Voalohany amin’izany ny fanatsarana sy fanavaozana an’ireo “sous-stations” izay mitsinjara ny herinaratra isaky ny faritra. Ny ao Ambohimanambola, eny Anosizato, ny ao Ambodivona, sy ny eny Antanandrano. Misy amin’izy ireo no efa tany 1960 no nanomboka niodina. Io fahanteran’ny fitaovana ao amin’ireo “sous-stations” io no mahatonga ny tsy tension an’ny jiro no mihaka-midina, na ambany dia ambany any amin’ny toerana sasany.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer