Trangam-piaraha-monina

AMBANJA: “Foroche” telo lahy nanao herisetra sy fanakorontanana tao amina sekoly iray voasambotra

Nanaitra ny maro sy nampisahotaka ireo mpianatra tao amin’ny Lycée mixte Tsiaraso Ambanja, ny fanakorontanana nataona andian-jatovolahy vitsivitsy nanao hetraketraka tao amin’ity sekoly voalaza ity, ny alarobia 16 oktobra teo. Omaly antoandro anefa, niely tao amin’ny tambazotran-tserasera sy nambaran’ny loharanom-baovao iray, fa “nisy nanafika miaraka amin’ny tora-bato ny mpianatra ao amin’ity toeram-pianarana ity ka rava hatramin’ny fianarana”. Rehefa nizotra anefa, ny fandihadiana, dia andian-jatovo mpanao herisetra, na antsoina hoe “Foroche” irony no nanatanteraka izany, ny alarobia voalaza io. Ireto farany, izay voalaza fa nanafika tao anaty efitrano fianarana, no sady nitoraka tamin’ny biriky. Telo lahy izy ireo no voasambotry ny Polisim-pirenena avy tamin’ny Kaomisarian’Ambanaja, tao anatin’izany. Ireto farany, izay voalaza fa nanatanteraka io fanakorontanana anaty faritry ny sekoly io. Hatolotra ny fampanoavana izy telo lahy ireto, aorian’ny famotorana tanterahin’ny Mpitandro filaminana. Marihina, fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy tao anatin’izao tora-bato sy fanakorontanana sy savorovoro niseho tao amin’ny sekoly iray an’Ambanja izao. Maro anefa, ireo nametraka fanontaniana ny amin’ny hoe “mamon-drongony ve ireto andian-jatovo no dia any amin’ny faritry ny sekoly mihitsy no manampatra ny maha mpanao herisetra?, sa misy antony hafa tsy azo nanoharana mihitsy?”. Tsy hay aloha izay tena zava-nisy nanosika azy telo mirahalahy ireto nanao izao fomba mamohehitra izao, fa ny fanadihadiana no hanambara izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer