PolitikaSongadim-baovao
VONDRON-KERY MANOKANA “GFSI”: Hanome tanana ny ady amin’ny fakana an-keriny
Nomarihina ny sabotsy teo ny tsingerin-taona voalohany ny vondron-kery manokana “GFSI” na ny “Groupement des Forces Spéciales d’Intervention” izay vondrona manokana, Tafika mpanao vy very ny ainy, manao ny hetsika fampandriana fahalemana amin’ny endriny rehetra. Hanampiana ny iraka ho ataon’izy ireo, araka ny toromariky ny Filoha Rajoelina, ny famongorana ny tambazotra mpaka an-keriny sy mpitrandraka tsy ara-drariny ny harem-pirenena.
Ny “GFSI” na ny “Groupement des Forces Spéciales d’Intervention” dia vondrona manokana, Tafika mpanao vy very ny ainy, manao ny hetsika fampandriana fahalemana amin’ny endriny rehetra. Nisy ilay fanitsian-drafitra ny tafika ka tao anatin’izany no niforonan’ity vondrona ity, izay natao hisahana ny mety ho ambana misy eto Madagasikara. Ny Filoha Rajoelina no angady nananana sy vy nahitana an’izany “GFSI” izany sy ilay fanitsian-drafitra. Eny Iavoloha, eny anivon’ny fiadidiana ny repoblika no misy ny tobin’ny vondrona.
Nomarihina ny sabotsy teo ny fankalazana ny tsingerin-taona voalohany (faha herintaona) ny vondron-kery manokana “GFSI”. Nambaran’ny Filoha Rajoelina nandritra izany fa maro ireo ezaka efa vita tamin’ny fandravana ireo asan-dahalo tamin’ny alalan’ny GFSI. “Raha tsy hanome ohatra afa-tsy ny tany Isandra aho. Fa mila manova strategie indray isika araka ny nolazain’ny Minisitry ny Foloalindahy teo satria miova indray izao ny hambana. Any amin’ny fankana an-keriny indray no mirongatra ankehitriny. Ary ny mitranga dia Malagasy ihany no mahavita maka an-keriny sy mamono ny Malagasy mpiray tanindrazana ankehitriny”, hoy ny Filoha.
Noho izany, ankoatra ny antom-pisiany voalohany dia ny fiarovana ireo andri-panjakana mijoro, dia misy andraikitra mankadiry ho apetraka sy ho tanterahin’ny GFSI. Ankoatra ny ady amin’ny asan-dahalo izay anaovana iraka manokana, dia hiady manokana amin’ny fakana an-keriny koa izy ireo, hanamafy ireo tafika izay efa any an-toerana. Fa eo ihany koa ny fandravana ireo tambazotra maro isan-karazany. “Manan-karena ihany koa Madagasikara. Fa matetika ny harenantsika dia olom-bitsy no mifehy azy ireo. Tomponandraiitra maro isan-karazany na olom-boafidy, na olom-boatendry manerana an’i Madagasikara no mitrandraka tsy ara-drariny, tsy ara-dalana ny harenam-pirenena. Noho izany dia isan’ny iraka ho ampanaovina sy ho ataonareo ny handravana ireo tambazotra isan-karazany ireny”, hoy ny Filoha.
Herintaona nijoroana
Tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny sabotsy teo ny fanolorana ny faneva na ny “FANION” sy ny fitokanana fotodrafitrasa (camp sud) izay natao teny an-toerana. Lanonana ara-miaramila roa sosona no natao ka ny voalohany dia ny fanolorana ny « brevet de force spéciale Apinga » ho an’ireo miaramilan’ny “GFSI” ary ny fanolorana ny fanevan’ny sakelika fibaikoana ny vondron-kery sy ny fanevan’ny holafy iraka manokana miisa efatra misy ao amin’ny “GSFI”.
Tonga nanome voninahitra izany ny filoha Andry Rajoelina izay filoha faratampon’ny Foloalindahy. Teo am-panombohana ny lanonana dia nisafo ny andian-tafika izy sy ireo manampahefana lehiben’ny Foloalindahy dia ny Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy sy ny Jeneraly Minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena ary ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika ary ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Taorian’izay ny fanolorana ny “brevet” ka anisany notolorana ny “brevet de prestige” Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sady Lehibe Faratampon’ny Foloalindahy sy ireo lehibe isan’ambaratongany izay angady nananana sy vy nahitana ny vondrona “GFSI”. Nanaraka izany ny fanolorana ny “brevet force speciale Apinga” ho an’ireo miaramilan’ny “GFSI” izay nahavita fiofanana.
Marihina fa miaramila mpanao vy very ny ainy avokoa no mandrafitra an’ity vondron-kery ity. Izany hoe nandalo sivana maro sy nandalo sedra maro aran-tsaina ary ara-batana. Ankoatra izay dia nisy ny asa sy iraka manokana efa niandrekatan’izy ireo vao tafiditra ao amin’ity vondrona manokana ity. Ny fanolorana ny faneva ho an’ireo sakelika kosa dia midika fa mendrika ny fahatokisany eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ny vondrona, indrindra eo anivon’izao andrim-panjakana izao. Tarigetran’ny vondrona “GFSI” dia hoe “apinga , tanindrazana”.



