
Songadim-baovaoSosialy
FANAMPIANA IREO SAHIRANA: 35 taona nanaovana asa fanasoavana ny “Akamasoa”
Teratany “argentin” i mopera Pedro. Ny taona 1970 izy no tonga teto Madagasikara. Ny fahitana ny fahantran’ireo mponina nitsindroka tao amin’ny toeram-pitobian’ny fakon’Antananarivo, ao Andralanitra sy nanorim-ponena manodidina izany no nanosika azy hanangana ny fikambanana Akamasoa 35 taona lasa. Resy lahatra izy, hoy izy, fa tsy sitrak’Andriamanitra ny fijalian’ireto fianakaviana ireto.
Niaraka amina Malagasy vitsivitsy no nanombohan’i mopera Pedro ny asa hanampiana ireo fianakaviana tena mahantra sy ireo tanora hioitra eo amin’ny fiainana, isitraka ho avy mamiratra sy isitraka ny zo sy hasin’ny maha olona. Ary koa tsy ho anjorom-balan’ny fiaraha-monina fa ho mpiantsehatra feno sy afaka itondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiara-belona, ny fanaovana soa eo amin’ny fiaraha-monina, sy ny fampandrosoana ny firenena.
Fankalazana ny faha-35 taona
Notontosaina omaly tao amin’ny kianjan’Akamasoa Andralanitra ny fankalazana ny faha 35 taonan’ny fikambanana Akamasoa izay naorin’i pere Pedro Opeka. Nanatrika izany ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry sy i ramatoa vadiny Rajoelina Mialy. Izy mivady sy ireo zanany izay namana sy miara-miasa akaiky amin’i pere Pedro sy ny Akamasoa efa maherin’ny folo taona izao. Mifandray am-po amin’i Akamasoa sy i pere Pedro ny Filoha mivady. Na teo amin’ny fitondrana na tsia ny filoha Rajoelina dia niara-nankalaza ny fentin’ny Noely miaraka amin’ny fianakaviam-be an’Akamasoa foana izy sy ny ankohonany.
Nanatrika ny lanonana ihany koa ny Nonce apostolique Tomasz Grysa. Isan’ireo nanatrika ity lanonana omaly ity ihany koa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamantany Zely. Teo ihany koa ireo solontena-na masoivoho vahiny, mpisehatra amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana, sy ireo solotena-na fikambanana iraisam-pirenena sy ONG maro. Saika mpiara-miombona antoka amin’ny fikambanana Akamasoa avokoa izy ireo. Nanamarihana ny lanonana 35 ans omaly ny mitabe hahafantarana ny akamasoa.
Ny Fanoratana.




