Songadim-baovaoSosialy

“VIH SIDA” ETO MADAGASIKARA : Manodidina ny 20 000 ireo tranga voamarina, mbola ambany ny taham-pitiliana

Mandray ilay fihaonambe momba ny VIH Sida isika eto Madagasikara manomboka amin’ity anio ity, izay handraisan’ireo firenena aty amin’ny Ranomasimbe indianina anjara. Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa isan’ny mbola ezaka mila atao ny fampitomboana ny isan’ireo olona manao fitiliana. Ho an’i Madagasikara, dia manodidina 70 000 ireo tombanana ho mitondra ny tsimokaretina VIH. Manodidina ny 20 000 ihany anefa no voatily.

Mbola miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina any ny Tsimokaretina « VIH », araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Andriamanantany omaly. Midika izany fa mila hamafisina ny fanentanana sy ny ady, indrindra fampahafantarana ny vahoaka ny toetoetrin’izany aretina izany mba hanamafisana ny fitandremana.

Notsindrian’ny Minisitra fa tsy mipoitra eo no ho eo ny aretina Sida, ary tsy voamarina raha tsy amin’ny alalan’ny fitiliana irery ihany. Tanora maro anefa no tsy mahafantatra akory ny momba io aretina io, na minia tsy miraharaha fotsiny tsotra izao, hany ka manao fitondrantena tsy voahevitra.

Nandray ny delegasiona avy amin’ny ONUSIDA ny Minisitra omaly.

Niakatra ny tarehimarika

Nomarihin’ny Minisitra fa tanjona eo anivon’ny fikambanana iraisampirenena miady amin’ny Sida (Onusida) ny hahavita fitiliana ny 95% -n’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH. Ny 95%-n’ireo olona voatily ireo kosa no kendrena mba hahavita hanaraka fitsaboana. Ary ny 95%-n’ireo manaraka fitsaboana dia mba tsy hisy tsimokaretina intsony ao anatin’ny vatany.

Araka ny tarehimarika, tany amin’ny taona 2021 dia 14% ilay 95% voalohany. Izany hoe, raha nisy olona 70 000 no neverina fa nitondra ny tsimokaretina, dia teo amin’ny 12 000 teo ihany no voatily. Nanao ezaka ny Minisitera taorian’izay dia voatily ireo olona tany anivon’ny fiarahamonina, dia niakatra ny tarehimarika.

Amin’izao fotoana dia manodidina ny 20 000 no voamarina fa voan’ny VIH eto Madagasikara. Izay tarehimarika izay raha jerena amin’ny tany aloha dia hoe niakatra be. Fa eo anatrehan’ilay olona miisa 70 000 tombanana ho mitondra ilay tsimokaretina izany dia tena mbola ambany. Izay indrindra no antom-pisian’ilay fikaonandoha », hoy ny Minisitra.

Fikaonandoha

Hisy fihaonamben’ny Faritry ny Ranomasimbe indianina (COI) manomboka anio hatramin’ny alakamisy izao, mikasika ny VIH. Izy io dia fikaonandoha fanao isan-taona, ary mifandimby amin’ny fandraisana azy ireo firenena ato anatin’ny Ranomasimbe indianina. Tamin’ny taon-dasa dia i Seychelles no nandray izany.

Hatramin’ny omaly dia efa manomboka tonga ireo delegasiona vahiny handray anjara amin’izany. Maro ireo vahiny ho tonga eto amintsika. Isan’izany ohatra ny avy amin’ny ONUSIDA, tamin’ny alalan’ny Tale Mpanatanteraka, Winnie Byanyima, izay nanao fitsidihana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly. Nodinihina nandritra izany ny toerana misy an’i Madagasikara ao anatin’izany ady amin’ny VIH Sida izany.

“Sarotiny amin’ny fahasalamam-bahoaka ny Filoha Rajoelina. Hisy tsoakevitra hivoaka aorian’ny fifanankalozana”, hoy ny Minisitra tomponandraikitra. Tsara ho fantatra fa tafiditra anatin’ny politikam-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny loharanon-karena maha olona izao fikaonandoha hotanterahina izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer