Fanadihadiana ManokanaSosialy
FIATREHANA NY FAHAVARATRA : Mila andraisana fepetra mialoha ny fisorohana ny loza mety hitranga
Miroso tsikelikely amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Olana mateti-pitranga eto an-drenivohitra mandritra io fotoana io ny fihotsahana vokatry ny fahabetsahan’ny rotsak’orana sy ny tondra-drano. Mandra-pahatonga io tena fihavian’ny orana io, mila andraisana fepetra mialoha ny fisorohana ny loza mety hitranga.
Mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny manasara-taona aloha isika eto Madagasikara amin’izao fotoana, raha ny fampahafantarana avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Na izany aza dia manomboka miroso tsikelikely amin’ny fotoam-pahavaratra isika, iainana eo anelanelan’ny volana oktobra hatramin’ny volana aprily. Tamin’ny sabotsy lasa teo no nisitraka rotsak’orana voalohany ny teto Antananarivo renivohitra sy manodidina, rehefa nambaran’ny foibe famantarana ny toetry ny andro tamin’ny zoma fa faritra maromaro manerana ny Nosy no hisitraka orana tandrifin-drahona mandritra ny hateloana. Naharitra ora roa teo tamin’ny ankapobeny ny faharetan’ny orana nilatsaka tamin’ny sabotsy teo. Mbola nitohy nandritra ny alina izany ho an’ny faritra sasany manodidina ny renivohitra saingy nihena kosa ny habetsany. Amin’izao fiandohan’ny herinandro izao, izany hoe hatramin’ny rahampitso alarobia, dia nampahafantatra ny teknisianin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa nahazo vahana kokoa ny tsiokan’ny alizay nanomboka omaly. Hisy fidinany ny maripana ho an’ny ilany atsinanana’ny afovoantany manontolo, raha toa ka hisongadina ny fiakaran’ny maripana any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy.
Raha tsiahivina moa, vinavinan’ireo manam-pahaizana momba ny toetry ny andro mandritra ny fotoam-pahavaratra 2024-2025 ny hoe trangana rivodoza miisa 2 hatramin’ny 5 eo no mety hahakasika mivantana an’i Madagasikara mandritra ity fahavaratra ity. Ho mafy kokoa ny fiantraikan’izany any amin’ny ilany Avatra Atsinana, Afovoany Atsinanana, ary Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa anefa ny fiantraika mety hahazo any amin’iny sisiny mahazo ny Lakandranon’i Mozambika iny. Mahakasika ny rotsak’orana indray, ambanimbany ny taha ho an’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, ny faritra Andrefan’Ihorombe, any amin’ny amin’ny Avaratry ny Faritra Anosy, ary aty amin’ny ilany Andrefan’ny Afovoantany. Hanatombo kosa ny rotsak’orana ho an’ny Faritra Diana, Sava, ny andrefan’ny Faritra Sofia, Ambatosoa, Analanjirofo ary ny faritra Avaratry ny Faritra Atsinanana.
Vokatry ny loto sy fanorenana tsy ara-dalàna…
Taorian’ny rotsak’orana teto an-dranivohitra tamin’ny sabotsy lasa teo, hita sahady fa niakatra ny rano tamina toerana maromaro teto Andrenivohitra, indrindra ny any amin’ireo faritra iva toy ny teny Besarety sy Andranomanalina. Fako maro ihany koa no nentin’ireo riaka mikoriana manaraka ny arabe. Amin’ny volana novambra anefa vao tena hiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana isika eto Madagasikara. Mandritra ity volana oktobra ity dia eo amin’ny antoniny na latsaky ny antoniny ny rotsak’orana andrasana manerana ny Nosy, araka ny vinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro hatrany.
Antony voalohany mahatonga ny fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra, hoy ny teknisianina, ny fahatsentsenan’ireo lakan-drano sy fantsona mpitondra rano. Noho ny tsy fahampiana fotodrafitrasam-panadiovana sy tsy fandraisan’andraikitra eo amin’ny olom-pirenena mantsy dia lasa mivarina sy hariana any anatin’ireny tatatra ireny ny fako, manentsika ireo lakan-drano, indrindra ny fako plastika. Ankoatra io, mbola antony mahatonga ny tondra-drano eto Antananarivo ihany koa ny fanotofana tany sy ny fananganana fotodrafitrasa eny amin’ireo toerana tsy azo hanorenana, toy ny eny amin’ny manamorona na eny ambonin’ireo toerana fandehanan’ny rano maloto mihitsy aza. Vokatr’izay tsy fahaiza-mandrindra eny amin’ny fiarahamonina izay no mitarika fahavoazana amin’ny fiakaran’ny rano, fihotsahan’ny tany sy fotodrafitrasa ary ny maro hafa.
Mateti-pitranga ny fihotsahana
Rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra, araka izany, dia voina mateti-pitranga eto Antaninarivo ny fihotsahana tany, trano na ihany koa vato. Lasibatra matetika amin’izany moa ny eny amin’iny tanàna avo eto an-drenivohitra iny, toy ny eny amin’ny fokontanin’i Manjakamiadana, Ambanin’Ampamarinana, Andafiavaratra, ary Ambohipotsy. Izy ireo izay sokajiana ho faritra tandindonindoza hatrany amin’ny fotoana mahabetsaka ny orana. Vantany vao nanomboka, araka izany, ny fihavian’ny orana dia mila mailo hatrany ireo mponina eny amin’ny manodidina. Fepetra tsara indrindra ny miala eny an-toerana raha toa ka misy ny mampiahiahy. Manoloana izany, heverina fa hiroso tsy ho ela amin’ny fanentanana ireo mponina eny amin’iny manodidina iny ireo tompon’andraikitra misahana izany.
Ho an’ny ety amin’ny tanàna iva kosa, vahaolana tsy hahatongavana amin’izay fihotsahana izay ny fanadiovana ireo lakan-drano mba tsy ho tsentsin’ny fako ny lalana tokony hivoahan’ny rano. Efa herinandro maromaro izao no niatrika izany ry zareo avy eo anivon’ny APIPA. Isan’ny asa natao faramparany ny fanokafana ny lakan-drano GR rehetra eny amin’iny manodidina an’Andohatapenaka sy 67Ha iny, ary tafiditra tanteraka ao anatin’ny paikady entina hiatrehana ny vanim-potoan’ny orana ny fanatanterahana izany. Natao nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana ity ihany koa ny fanadiovana sy fanalana fako mitsikafona eny amin’ny lakan-dranon’Andriantany. Tanjona ny hanenana ny fako manohana ny fitohanana amin’ny fikorinan’ny rano eny amin’ny lakan-drano. “Ny APIPA dia mangilan-tsofina hatrany ary manohy ny asa fidinana ifotony ny amin’ny fikirakirana sy fanadiovana ny fotodrafitrasa rehetra mba ahafahana manena ny mety ho fitrangan’ny tondradrano izay miteraka loza”, hoy ny fampahafantaran’izy ireo. Tamin’iny herinandro iny kosa, nanao tohivakana ny fihaonan’ny APIPA tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny boriborintany fahefatra ho fanomanana ny fihavian’ny orana. Io boriborintany io izay matetika misedra olana hatrany rehefa fahavaratra. Isan’ireo ny fihaonana tamin’ny Solombavambahoakan’ny boriborintany fahefatra, ny filoham-pokontany, solotena avy amin’ny kaominina sy ireo mpitandro filaminana. Tanjona tamin’ny dinika natao ny handaminana ireo asa fiomanana amin’ny fihavian’ny orana. Nitondra ny hetahetanny ihany koa ireo vahoaka tamin’ny alalan’ireo filoham-pokotany. Ny Fokotany, araka izany, ,o mpanentana sy mpanabe amin’ny fahadiovana sy fikajiana ireo fodrafitrasam-panadiovana eny ifotony. Ny mpitandro ny filaminana no mpampanaja ny lalàna velona sy hitandro ny filaminam-bahoaka ary ny APIPA no hanohana sy hanatanteraka ireo asa miaraka amin’ireo hery velona rehetra.
Zava-poana ihany anefa ireo rehetra ireo, miankina amin’ny fandraisan’andraikitry ny isam-batan’olona ny fisorohana mba tsy hahatongavana amin’ny tondra-drano mitarika any amin’ny fihotsahana.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



