Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY « VIH SIDA » : Nampita hafatra mafonja ho an’ny tanora Ramatoa Mialy Rajoelina
Mampiantrano ny andiany faha-20 amin’ny fihaonamben’ny ranomasimbe indiana momba ny tsimokaretina VIH i Madagasikara mandritra ny 3 andro : 22 – 23 ary 24 Oktobra 2024 izay hatao eny amin’ny CCI Ivato. Omaly maraina no nanaovana ny lanonam-panokafana izany natrehan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina sady reny mpiahy ity hetsika ity.
Manodidina ny 74.000 ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara ka ny 20 000 amin’ireo ihany no fantatra, araka ny antontan’isa tamin’ny taona 2023. Ny kolontsaina , ny fitsaran’ny fiarahamonina , ny halaviran-toerana no tena anisany sakana tsy hahafantarana marina ny isan’ireo mitondra ny tsimokaretina sida eto Madagasikara satria mbola maro ireo tsy manantona toeram-pitsaboana, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Randriamanantany. Noho ny fivoaran’ny fitsaboana ankehitriny anefa dia azo atao tsara ny miaina miaraka amin’ny VIH/SIDA, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo, raha toa ka manaraka fitsaboana amin’ilay antsoina hoe ARV na ny « antiretroviraux » ireo mitondra izany.
Anisan’ny horesahina betsaka ireo mandritra ny andiany faha-20 amin’ny fihaonamben’ny ranomasimbe indiana momba ny tsimokaretina VIH izay atao eto Madagasikara nanomboka omaly. Ny lohahevitry ny fihaonambe dia hoe, « Ny VIH aty amin’ny ranomasimbe Indianina: fiatrehana, fiaraha-miasa isam-paritra ary fanavaozana amin’ny ady ». Hisy ny fifampiresahana ireo lohahevitra lehibe sy fifanakalozan-kevitra. Fotoana ihany koa hifampizarana sy hifanakalozana hevitra, ary hijerena miaraka ireo fanamby amin’izao fotoana izao sy hikaroka fomba fijery vaovao hanatsarana sy hampivoarana ny paikady nasionaly manoloana ny VIH/SIDA.
Andraikitra ifampizarana
Ireo rehetra izay nandray fitenanana nandritra ny lanonam-panokafana ny colloque du VIH de l’Océan Indien dia samy nanipika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny fitiliana sy ny fampiasana fimailo ary ny fiarahamientan’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe indiana hiadiana amin’ny VIH/SIDA. Manana andraikitra manandrify azy ny tsirairay avy amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina. Anisan’ny nasiany tsindrim-peo manokana ny fifampiresahana momba ny fananahana sy ny fahalalahan-tsaina, fa eo ihany koa ny fialana amin’ny fanilikilihana sy ny hevi-diso momba ireo olona mitondra ny tsimokaretina.
Fanaovana safidy tsara
Nitodika manokana tamin’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH i Ramatoa Mialy Rajoelina nankahery azy ireo sy nampirisika ny hanohizana hatrany ny fitsaboana, niantso fiaraha-miasa sy tolotanana ihany koa tamin’ireo mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ; na eo amin’ny fitiliana izany, na fitsaboana na fotodrafitrasa mba ahafahan’ireo olona tsirairay avy mahazo fitsaboana sahaza. Nanaovan’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, izay renin’ny Malagasy rehetra antso avo ihany koa ireo tanora. Antso ho amin’ny fanaovana safidy tsara amin’ny resaka fananahana izay hiantoka ny hoavin’ireo tanora, antso ihany koa amin’ny fahaizana mandà sy miteny hoe TSIA, tsy hanaiky ho voatarika sy voarebirebin’ny tambazotra sosialy. Ny fahalalana ny momba ity aretina ity, hoy izy, no apinga entina miady amin’izany.
Fitiliana maimaimpoana
Ankoatra ny fisian’ireo tranoheva mampiranty sy mampiseho ny dingana amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA iarahan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra samihafa dia misy ihany koa ny fitiliana maimaim-poana momba ny VIH-Sida sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono eny amin’ny CCI Ivato. Hisy ny tsoakevitra hivoaka any amin’ny faran’ity colloque momba ny tsimokaretina VIH ity.
Marihina fa tonga eto amintsika ihany koa ny Tale Mpanatanteraky ny ONUSIDA, Winifred Karagwa Byanyima, ny solontenan’ny ONUDC Ashita Mittal, ny avy amin’ny Fonds Global, Michael Byrne ary ireo delegasiona avy amin’ireo Nosy eto anivon’ny ranomasimbe indiana : Maurice, Seychelles, la réunion, Mayotte, Comores ary Rodrigue.



