PolitikaSongadim-baovao
FANAMBOARAN-DALANA, SERANAN-TSAMBO, ANGOVO : Maro ireo vinam-piarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondron’orinasa Sinoa “CCCC”
Mitondra vokatra ny ady sisika ataon’ny Filoha Rajoelina Andry isarihana ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha goavana avy any ivelany hitodi-doha aty Madagasikara. Isan’izany ny fandraisana anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony Chine – Afrika na ny FOCAC ny fiandohan’ny volana septambra teo. Ankoatra ny fandraisana anjara tamin’ireo adihevitra, ny fihaonana tamin’ny filoha sinoa Xi Jinping, dia maro ihany koa ireo tomponandraikitra orinasa goavana nihaona tamin’ny Filoha Rajoelina nandritra an’io diany tany Sina io. Isan’ireo nihaona tamin’ny Filoha nandritra ny diany tany Sina io, ny tomponandraikitry ny CCCC na China Communication, Construction Company. Iray volana mahery kely taorian’izany fihaonana izany dia tonga eto Madagasikara ny delegasion’ny groupe CCCC tarihin’ny Wang Tongzhou, Filoha Tale Jeneraly na PDG an’ny Groupe CCCC. Mariky ny faharesen-dahatr’izy ireo hiara-hiasa amin’ny Fitondra-panjakana izany, sy hanohana ny vina fampandrosoana an’i Madagasikara izay narafitry ny Filoha Rajoelina.
Lalana mirefy 2 000 Km
Nisy ny fivoriana ara-kasa niarahan’ny delegasion’ny CCCC tamin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly. Naharitra ora 2 ny fihaonana. Nandray anjara tamin’izany ihany koa Rafidison Richard, minisitry ny Asa vaventy, Jean-Baptiste Olivier, minisitry ny Angovo sy akoran’afo, ary ny capitaine de vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, Tale jeneralin’ny APMF.
Noresahina nandritra izany fivoriana izany ireo vinam-piarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy ny CCCC. Isan’ny tetikasa lehibe aminin’izany ny fanamboarana ny Route du Soleil izay lalana mirefy hatramin’ny 2.000 km mampifandray an’Antsiranana sy Tolagnaro ary mamakivaky ny ilany Atsinanan’ny Nosy. Ity tetikasa lehibe ity izay hanatsara, hanamora, sy hanafaingana ny fifamezivezin’ny olona sy ny entana ary ny fitaovana. Hamoaka tanana maro amin’ny fitokana-monina ihany koa ity tetikasa ity, ary itondra fampandrosoana mirindra sy sahala ho an’ny faritra rehetra, indrindra fa ireo voakasik’izany tetikasa izany.
Lalam-by
Teo ihany koa ny vinam-piaraha-miasa amin’ny fanorenana sy famelomana ireo réseaux ferroviaires na ireo lalamby eto Madagasikara. Araka ny nazavain’ny Filoha Rajoelina tao anatin’ny teny fampidirana an’ity fivoriana tao Iavoloha ity dia ilaina ny famelomana indray ireo zotra-dalamby indrindra ho an’ny fitaterana ireo entana. Maro mantsy ireo entana stratejika sy mety hitera-doza izay amin’ny lalam-by no tena tsara itaterana azy, amin’izay tsy voatery mandalo toerana maro olona. Isan’izany ohatra ny solika. Misy ihany koa ireo entana mavesatra, manavesatra ireo kamio mpitatitra entana ary manimba lalana. Azo atao fitaovana isarihana mpizaha tany na ato anatiny na avy ivelany ihany koa ny zotran-dalamby. Ary ireo mpivarotra izay mila mitondra entana maro amin’ny taxibrosy dia afaka mandeha amin’ny lamasina.
Famokarana angovo
Isan’ny tetikasa lehibe noresahina nandritra ity fivoriana ity ihany koa ny mahakasika ny sehatry ny famokarana angovo azo avaozina, indrindra ireo centrales hydroélectriques. Ankoatra ireo tetikasa efa vita sonia tamina mpiara-miombona antoka vahiny hafa, dia mbola maro ireo tian’ny fitondra-panjakana ho arafitra sy hotanterahina haingana. Notsindrian’ny Filoha fa 600 megawatts hatreto ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, nefa 1.800 megawatts no ilaina. Araka izany dia mila ampitomboina avo telo heny ny famokarana angovo eto amin’ny Nosy.
Seranan-tsambo
Noresahin’ny Filoha sy ny CCCC ihany koa ny fananganana sy fanarenana ireo seranan-tsambo izay tokony hitondra fampivoarana ara-toekarena ho an’ireo faritra voakasika, sy ho an’ny firenena. Ohatra amin’izany ny Baie de Narindra any @ faritra Avaratra Andrefan’ny Nosy. Amin’ny maha Nosy azy dia tombony ho an’i Madagasikara ny fananana sisin-dranomasina midadasika, izay mirefy 5.000 km. Ankoatra an’i Toamasina izany dia vina ho tanterahina ny fampitomboina ireo serana-tsambo ahafahana mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotr’i Madagasikara sy ireo faritra ao aminy, amin’ny any ivelany.
Ny China Communication, Construction Company na CCCC dia isan’ireo vondrona orinasa lehibe indrindra maeran-tany amin’ny sehatra ny asa vaventy sy fotodrafitrasa mahakasika ny fitaterana indrindra fa ny lalana, tunnel, tetezana, serana-tsambo, sy lalamby. Ankehitriny dia ny CCCC no orinasa laharana voalohany eran-tany amin’ny fandrafetana tetikasa sy fanamboarana serana-tsambo, lalam-be mikodana, tetezana, dragage.
Ny Fanoratana.


