Songadim-baovaoToekarena

RN44- AMBOASARY SY VOHIDIALA: Vita tanteraka ny asa fanamboaran-dalana 73Km

Isan’ireo fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fotoam-piasany voalohany ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Nampitaraina ireo mampiasa lalana mantsy ny haratsian-dalana, nitombo ny fotoana lany eny an-dalana, kanefa isan’ny sompotr’i Madagasikara amin’ny famokaram-bary ny any Alaotra. Rehefa izany, natomboka ny asa fanamboarana ny RN44. Nozaraina roa ny asa ka vita tanteraka tamin’ny taona 2022 ny ampahany voalohany mampitohy an’i Marovoay hatreo Amboasary, lalana mirefy 20Km. Mandrafitra ny ampahany faharoa kosa ny lalana eo anelanelan’Amboasary sy Vohidiala izay mirefy 73Km. Vita tanteraka ihany koa ny asa fanamboarana izany ankehitriny na dia nahitana fahatarana kely aza. Raha ny vina napetraka mantsy dia tokony ho vita tamin’ny volana jolay ny asa saingy noho ireo sakana misy eny an-kianja dia nihemotra hatrany izany.

Araka izany, niroso tamin’ny fandraisana tanteraka na ny “réception définitive” an’io ampahan-dalana mampitohy an’Amboasary sy Vohidiala io ny teo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy tamin’ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministera izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy Razafindrianarivo Henri Jacob, niaraka tamin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra Alaotra Mangoro, ny avy amin’ny tetikasa PACT, ny BE SARI MEC ary ny orinasa CRBC izay niandraikitra ny fanamboarana. Tsikaritra nandritra izany fa anisan’ireo fotodrafitrasa raitra, malalaka sy manarakana ny fenitra ny RN44, na ny tapany voalohany na io vao noraisina tanteraka tamin’ny herinandro io. Tsiahivina fa famatsiambolan’ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa PACT, no nanatanterahana ny asa. Maro ny tombony azo amin’ny fahavitan’io lalana io satria mampihena ny fotoana lany eny an-dalana izany satria vita anatin’ny ora vitsy ny lalana Moramanga-Ambatondrazaka ankehitriny, raha novitaina tao anatin’ny tapak’andro mahery izany teo aloha. Mitondra fampandrosoana ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro ihany koa ny fotodrafitrasa, sady mampirindra ny fifamoivoizan’ny olona sy ny entana no manamora ny famoaham-bokatra.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer