Politika

Moramanga: Hatsangana ny trano fandraisana ireo bekotro maro olatra

Notanterahina omaly ny fametrahana ny vato fototra entina hananganana ny trano fandraisana ireo bekotro maro olatra sy ireo zokiolona na koa hoe « maison de retraite » any Moramanga

Notanterahina omaly ny fametrahana ny vato fototra entina hananganana ny trano fandraisana ireo bekotro maro olatra sy ireo zokiolona na koa hoe « maison de retraite » any Moramanga. Efa fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’i Moramanga nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taoanan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 ity fotodrafitrasa ity. « Natao indrindra izao fotodrafitrasa izao mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo bekotro maro olatra amin’ny maha zokiolona azy ireo sy ho fankasitrahana ny tolona izay nataony ho an’ny tanindrazana », hoy ny fanazavana. Ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izany. 6.600m² ny velaran-tany hananganana ny ary afaka mandray beantitra eo amin’ny 120 ny trano. Ahitana toeram-pitsaboana, trano fatoriana ary toerana natokana ho an’ny fialam-boly. « Tsy ho an’ny zokiolona mipetraka eto ihany ity toerana ity rehefa vita, fa ho an’ireo zokiolona rehetra mila izany fanampiana izany ary ho maimaim-poana avokoa ny fitsaboana sy ny fanafody ho an’ireo zokiolona», hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Nitsidika ny ozininina miaramila

Namaranan’ny Filoha ny diany tany Moramanga ny fitsidihana ny ozinina miaramila ao Angavo. Ity ozinina miaramila ity izay mamokatra ireo “produits stratégiques” toy ny vanja sy bala. 500.000 isan-taona ny bala vokarina ao an-toerana ankehitriny raha 300.000 no tena filan’ny tafika malagasy. Ny tanjona ny hanatsarana hatrany ny milina mpamokatra ka hahafana manondrana ireo vokatra any ivelany. Hita ao an-toerana ihany koa ny “champs de tire électrique” izay hahafahan’ireo miaramila mahazo fiofanana mifanaraka amin’ny fenitra takiana amin’izy ireo. Sambany eto Madagasikara no nisian’izao “champs de tire électrique” izao izay hapetraka amin’ireo toeram-piofanana miaramila manerana ny Nosy.

bekotro
Ho vita ao anatin’ny fotoana fohy ny foto-drafitrasa.
Fermer