PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPON’NY “SADC” – 2025 : Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fandraisana izany i Afrika Atsimo

Ny volana aogositra 2025 no hotanterahina eto Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ao anatin’ny “SADC”. Naneho fahavononana hanampy an’i Madagasikara amin’ny fandraisana izany i Afrika Atsimo tamin’ny alalan’ny Masoivohony miasa eto amintsika, Khazamula Lawrence Chabane, omaly, nandritra ny fanateran’ity farany ny taratasy manendry azy tany amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohan’ny Repoblika ny Masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo, Andriamatoa Khazamula Lawrence Chabane. Efa hatramin’ny taona 1992 no nisian’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’ny firenena roa tonta ary mihamafy orina hatrany izany ankehitriny, araka ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Noresahana nandritra izao fihaonana izao moa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny maha samy mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo. Zava-dehibe ny fifampizarana traikefa amin’ny fikarakarana fihaonana avo lenta toy ny fivoriamben’ny SADC, hoy ny Masoivohon’i Afrika Atsimo miasa eto amintsika. Hanolo-tanana an’i Madagasikara, araka izany, ity firenena ity amin’ny fandavorariana ny fihaonana an-tampon’ny SADC izay ho atao eto amintsika amin’ny taona 2025.

Tsiahivina fa sambany teo amin’ny tantara i Madagasikara no handray ny fitantanana ny Vondrona SADC. Ny Filoha Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, no voatendry ho filohan’ny Vondrona SADC mandritra ny fe-potoam-piasana 2025-2026, voalohany indrindra amin’ny tantaran’i Madagasikara izany raha toa ka efa roapolo taona no naha-mpikambana an’i Madagasikara tao anatin’ity vondrona ity, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika.  Fanendrena izay nohamafisina nandritra ny fihaonambe faha-44 natao tany Harare, Zimbaboe, midika ho fankasitrahana ny fitarihana sy ny fanoloran-tenan’Andriamatoa Filoha Rajoelina, hoy hatrany ny fanazavana. Tafiditra anatin’ny “Troika”-n’ny SADC i Madagasikara ankehitriny, amin’ny maha firenena hitantana manaraka ny SADC azy.

Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo sy ny Filoha Andry Rajoelina omaly koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy harena an-dranomasina hifandraisan’ny firenena roa tonta.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer