PolitikaSongadim-baovaoSosialy

KAOMININA ANKADINONDRY SAKAY: Manampy olona analiny ny fijoroan’ny fikambanana “Manana Soa Iombonana”

Efa mahatratra 10.000 ny isan’ny mpikambana ao anatin’ny Fikambanana « Manana Soa Iombonana » ao Ankadinondry Sakay, izay nisafidy ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom Ramatoa Lalatiana Henriette Rakotondrazafy ho Reny Mpiahy azy ireo. Ny Ben’ny tanana Ramananjatovo no Filoha mpanorina, mbola milatsaka amin’ny anaran’ny Antoko Freedom izy amin’ity fifidianana ben’ny tanana manaraka ity, ary efa nahavita « mandats » 5 teo aloha.

Nisy ny rindran-damina na « système » napetraky ny fikambanana mba hifampitsinjovan’ny samy mpikambana. Isan’izany ny fananan’ny mpikambana rehetra karatra. Misy fifanarahana amin’ny dokotera mpitsabo isaky ny fokontany, ka raha sendra marary amin’ny alina ny mpikambana ohatra kanefa tsy misy vola eo am-pelatanana dia iny karatra maha-mpikambana iny, sy ny karapanondro no entiny mankany amin’ny mpitsabo ka avy hatrany dia voatsabo izy satria manao antoka (garantie) ny fikambanana. Ankoatra izay, raha misy marary mila alefa amin’ny hopitaly lehibe ohatra aty an-drenivohitra dia ny fikambanana no miantoka. Raha sanatria misy fahafatesana dia iantohan’ny fikambanana koa ny fikarakarana ny fandevenana.

Mba iantohana izany rehetra izany dia mandoa latsakemboka 200 Ar ny mpikambana isaky ny misy maty, ary 300 Ar isaky ny misy marary mila alefa amin’ny hopitaly lehibe. Ireo vola ireo izany dia miantoka ny sosialin’ny mpikambana indrindra ny fahasalamana.

Tena modely azo ampiharina amin’ny kaominina hafa ity atao andrana ao Ankadinondry Sakay ity ary tena mahomby. Mba tsy voatery midi-trosa, na mivarotra vary mbola maitso na mivaro-pananana hafa ny tantsaha satria misy fikambanana miantoka. Lasa karazana « caisse santé » na « assurance maladie » izany ilay latsakemboka kely izay aloan’ny mpikambana, tsy isam-bolana akory fa isaky ny misy marary na maty ihany.

Nampahafantarina ny Talata teo ny fijoroana ofisialin’ny Fikambanana « Manana Soa Iombonana », sy ny mbola maha-kandida Ben’ny tanana ny Filoha Mpanorina azy, Atoa Ramananjatovo. Nampahafantarina afak’omaly koa ny kandida Ben’ny tanana amin’ny anaran’ny Antoko Freedom manokana na ny milatsaka amin’ny anaran’ny IRMAR, ao amin’ny faritra Bongolava.

Miisa 27 izy ireo amin’ny kaominina 30 mandrafitra ny faritra.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer