Songadim-baovaoToekarena

VOKATRA LITCHI 2024: Ho lasa aloha ny fotoam-piotazana, vinavinaina ho eo anelanelan’ny 11 sy 14 novambra

Faritra anisan’ny mpamokatra voankazo litchi betsaka indrindra eto Madagasikara ny any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy. Mba hahafahan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fandraharahana io vokatra ireo mahazo ny vaovao sy ny tsara ho fantatra mahakasika izany dia nanao fitsirihana ifotony  tany Toamasina ny avy amin’ny CTHT na “Centre Technique Horticole de Tamatave”. Tanjona amin’ny fanatanterahana izany fitsirihana momba ny fivoaran’ny vokatra izany ny hahafahana mamaritra ny fanombohan’ny fotoam-pihotazana. Rehefa izany, tamin’ny 14 oktobra lasa teo no nanao fidinana ifotony ny CTHT. Fototra lichi miisa 1 667 no nanaovana fitirihana tany Brickaville, Toamasina ny Fenoarivo Atsinanana.

Nivoitra taorian’io fitsirihana io ny hoe ho lasa aloha ny fotoam-pihotazana litchi amin’ity taona ity, mitovy ny tamin’ny taona 2016. Nihabetsaka kokoa ny rotsak’orana nandritra ity volana oktobra ity ka manampy betsaka amin’ny filàna rano eo amin’ny fambolena izany, mahatonga ny fitomboan’ireo voankazo sy ny fidinan’ny maripan’ny rivotra. Na eo aza anefa izany, nivoitra nandritra ny fitsirihana fa hihena kokoa ny vokatra litchi avy any Toamasina amin’ity taona ity, indrindra ny any amin’ny faritra avaratra. Mety hisy fiantraikany amin’ny fiparitahan’ny vokatra ato anatiny izany satria tsy maintsy hiazakazaka hanentsina ny filàna amin’ny fanondranana ireo mpandraharaha. Marihina fa manodidina ny 18 000T isan-taona eo ny vokatra litchi ahondran’i Madagasikara. Eo amin’ny lafiny famaritana ny fotoam-pihotazana kosa, nivoitra taorian’ny fitsirihana natao hatrany fa vinavinaina ho ampahany maro amin’ireo voankazo no efa azo hotazana eo anelanelan’ny 11 sy ny 14 novambra 2024. Mba tena hahazoana antoka amin’ny famaritana izany daty izany dia hanatanteraka fitsirihana fanampiny indray ny CTHT amin’ny faran’ity volana oktobra ity.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer