Songadim-baovaoToekarena

SOKATRA VERY TAO TSIMBAZAZA: Hita teny amin’ny lalana mankany Ambohijanaka ny sasany

Manomboka ahitam-bokany ankehitriny ny asa fitadiavana ireo sokatra very tao amin’ny valanjavaboarin’i Tsimbazaza, andro vitsy lasa izay. Nampahafantra ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa omaly fa tao anatin’ny andro vitsy monja dia nisy sahady ireo sokatra hita. Nisy tamin’ireo sokatra nangalarana tao Tsimbazaza no hita teny amin’ny lalana mankany Ambohijanaka. Mitohy hatrany kosa, ankilan’izay, ny fitadiavana ny sokatra tsy mbola hita.

Fantatra fa nohon’ny fiaraha-mientan’ny fokonolona ao amin’ny fokontany Anjomakely Mandikanamana sy ny Borigadin’ny Zandarimaria Andoharanofotsy no nahazoana izany vokatra izany. Manentana hatrany ny mpiara-belona ny Zandary, mba hampilaza avy hatrany ny mpitandro filaminana raha toa ka mahita tranga mampiahiahy sy mifandraika amin’ity halatra sokatra ity. Ho an’ny valanjavaboarin’i Tsimbazaza manokana, nohamafisiny ny fiambenana ka miatrana eny an-toerana hatrany ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer