Fanadihadiana ManokanaSosialy

ANTANANARIVO – ANTSIRABE : Manomboka ny fanarenana ny Lalam-pirenena fahafito

Mila lalana mafy afaka miatrika ny fotoam-pahavaratra isika. Hahafahana mamaly izany indrindra ny asa tanterahina eto an-drenivohitra amin’izao fotoana. Ampahan-dalana maro no asiam-panamboarana ary mitohy hatrany ny asa. Fantatra fa hanomboka amin’ny volana novambra ho avy io ihany koa ny asa fanarenan-dalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe. Tsy hadinoina ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7), manomboka eo Iavoloha hatrany Antsirabe.

Mitohy hatrany ny asa fanarenan-dalana eto Antananarivo renivohitra. Tanjona amin’ny fanatanterahana izany ny hanatsarana ny fivezivezena sy hanenanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Raha tsiahivina, saika nahitana fahasimbana ny ampahan-dalana maro teto an-drenivohitra ary tsy nisy fanamboarana izany nandritra ny fotoana lava, nampimenomenona ireo mpampiasa lalana, ary niteraka fitohanana sy fahasimbana fitaovana. Niroso tamin’ny fanarenana ireo ampahan-dalana ireo, araka izany, ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP) rehefa feno ny fepetra rehetra, na ara-bola io na teo amin’ny lafiny toetry ny andro. Isan’ireo faritra niasa ny teny amin’ny Pharmacie Rasalama ka efa an-dalam-pandrakofana tara ny orinasa mpanatanteraka ankehitriny. Antenaina fa ho vita tsy ho ela ny asa. Isan’ny ampahan-dalana nasim-panatsarana ihany koa ny eo amin’ny Galana Antsakaviro. Asa mandeha eny an-toerana amin’izao fotoana ny fandravonana ny tany. Mahakasika ny eny Ambodin’Isotry indray, miditra amin’ny fandrafetana vy ny orinasa tamin’ny herinandro lasa teo ary hotanterahana tsy ho ela ny fandrarahana ny “béton”. Ny eo Ampasika ka hatrany tetezana Andranomanalina, notapenana avokoa ireo lavaka rehetra amin’ny arabe. Norakofana tara ihany koa ireo lalana simba teo Ambatomena-Analakely. Ny fanaovana ny “Couche de roulement” no notanterahan’ny orinasa miandraikitra ny fanamboarana ny lalana teny Vatobe-Andohatapenaka tamin’iny herinandro iny. Fampahafantarana avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy moa ny hoe tanterahana ao anatin’ny fandaminana matotra ireo asa ireo mba hanafainganana azy ka hisorohana ny fanelingelenana maharitra ho an’ny mpampiasa lalana. Mandray anjara amin’ny asa fanaraha-maso ny MTP, miara-miasa akaiky amin’izany kosa ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy Analamanga, ny avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ary ny Faritra Analamanga. Tsara ihany koa ny manamarika fa ny 16%-n’ny lalana eto an-drenivohitra dia hita any amin’ny toerana misy tondra-drano matetika, raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Zava-dehibe, noho izany, ny asa fanamboaran-dalana mba tsy ho mavesatra ny fiantraikan’ny fahavoazana rehefa miakatra ny rano.

Fanarenan-dalana any an-tampon-tanànan’Antsirabe

Ankoatra ny eto Antananarivo dia fantatra fa hanatanterahana asa fanamboarana-dalana ihany koa ao Antsirabe renivohitra. Anisan’ny lalana tena mampitaraina ireo mponina ny haratsin’ny lalana eo an-tampon-tanàna ka nandray andraikitra ny Fitodram-panjakana namaly ny hetahetan’izy ireo. Rehefa izany, hatomboka amin’io volana novambra ho avy izao io izay asa fanamboaran-dalana ao Antsirabe-Vakinankaratra izay. Manomboka eo Ambohimena, mandalo an’Ambavahady Mangatsiaka, Zoadahy ary hatrany Atsinanan-tsena. Voakasiky ny fanamboarana avokoa ireo ampahan-dalana rehetra tena manahirana ny mpampiasa lalana.

Nidina ifotony nijery izay asa hotanterahana any an-toerana izay moa ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore tamin’ny faran’ny herinandro teo. Niaraka taminy nandritra izany ireo mpiara-miasa aminy sy ny avy amin’ny orinasa hanatanteraka ny fanamboarana, ny SITEX BTP. Marihina fa famatsiam-bola avy amin’ny “Fonds Routier” no hahafahana manatanteraka io asa fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe io. Nisaotra ny Fitondram-panjakana sahady ny vahoaka noho ny famaliana ny hetahetan’izy ireo, indrindra amin’izao mialohan’ny fotoam-pahavaratra izao.

Asa fikojakojana ny RN7

Mbola mahakasika an’Antananarivo sy Antsirabe hatrany, mandeha ankehitriny ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7) mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Raha tsiahivina dia baiko nomen’ny Filoha Andry Rajoelina ny fanarenana manontolo amin’ny laonina ny lalam-pirenena be mpampiasa indrindra eto Madagasikara. Isan’izany ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe ka natomboka ny asa. Famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena no hanatanterahana ny asa.

Rehefa izany, nandritra ny fitsidihan’ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore  tany amin’iny Faritra Vakinankaratra iny dia nidina ifotony nijery ny asa fikojakojana eny amin’io RN7 io ihany koa ny tenany. Notronin’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra Vy Vato Rakotovao. Fitsidihana nanomboka teo Iavoloha hatrany Antsirabe. Mba hahafahana mamaritra ireo teboka sy toerana ahiana hisy fahasimbana amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra izao moa no tena anton’io fidinana ifotony io, toy ny lalana mamakivaky ny tanànan’Ambatolampy sy Behenjy.
Ankilany, haharitra herin-taona ny faharetan’io tetikasa fanarenana ny lalana Antananarivo-Antsirabe io. Nanome toky kosa anefa ny Minisitra fa mialohan’ny faran’ity taonaity dia efa tokony hahitam-bokatra ny asa. Dingana voalohany ihany io atao amin’ny lalam-pirenena fahafito io ary ahitana taratra sahady ny maha zava-dehibe ny fanatsarana fotodrafitrasa mahakasina ny lalana eto Madagasikara.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer