Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANANGONANA BIBY AROVANA : Sokatra 63 sarona, olona efatra voasambotra

Mitohy hatrany ny fihazana tanterahina amin' ireo biby arovana toy ny sokatra ! Omaly vao maraimbe, olona miisa efatra no voasambotra tany Esifake, kaominina Ejeda, distrikan'Ampanihy Andrefana. Tratra niaraka tamin'izy ireo ny sokatra velona izay miisa 36 ary sokatra efa maty miisa 27.

Mitohy hatrany ny fihazana tanterahina amin’ ireo biby arovana toy ny sokatra ! Omaly vao maraimbe tamin’ny 4 ora  dia tonga tao amin’ny biraon’ny Tobim-paritra Ejeda ny solontenan’ny MNP,  misahana ny kaominina Beahitsy sy Itampolo samy distrikan’Ampanihy Andrefana fa mitady Zandary izy ireo, mba hanatevin-daharana azy ireo hisambotra olona izay manangona sokatra, araka ny loharanom-baovao marim-pototra voarain’izy ireo. Nidina avy hatrany tany Esifake, kaominina Ejeda avy hatrany izy ireo, mba hikaroka sy  hisambotra ireo olona mitrandraka ireo biby arovana ireo. Vokany, voasambotr’ireo Zandary nandritra izany hetsika izany ireto tanora miisa efatra, raha toa ka tafaporitsaka kosa, ireo ray aman-dReniny. Tanora sy ankizy avokoa ireto efatra voasambotra ireto. 15 taona no zokiny indrindra raha 8 taona kosa, ny zandriny farany. Samy Monina ao Besakoa, kaominina Fotadrevo distrikan’Ampanihy Andrefana izy ireo ary  atao andrimaso ao amin’ny Tobim-paritra. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny sokatra velona izay miisa 36 ary sokatra efa maty miisa 27. Nogiazana avy hatrany ireo biby ireo ka voatazona ao amin’ny Tobim-paritra. Hisy aorian’izay ny fanolorana ireo biby ireo ny T.S.A Itampolo. Misokatra ny fanadihadiana ka ny Tombim-paritra Ejeda no misahana izany.

Antoka ny fampitana ny vaovao…

Isan’ny antoka hahafaha-miady amin’ ny resaka fanondranana an-tsokosoko ny fampitana ny vaovao momba ireo olon-dratsy manao ny asa fanondranana. Isan’izany ny fahazoana fitarainana momba ireo mpanao trafika ana sokatra, volana vitsy izay. Nisy ny loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo nanambara fa hisy fifampivarotana sokatra, eny amin’ny faritr’i Tsarasaotra iny. Nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana notanterahin’ny Zandary ka vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpanao trafika dia vaky nandositra ka namela valizy roa, manga sy mena. Avy hatrany dia nojerena ny tao anatin’ny valizy roa, ka zana-tsokatra miisa 147 no tao anatiny. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Zandarimaria ireo biby ireo ary nantsoina avy hatrany ny tomponandraikitra misahana izany. Manentana ny olom-pirenena rehetra hifanolo-tanana, indrindra amin’ny fanomezam-baovao. Tiana ny manamarika fa voararan’ny lalàna ny fivarotana sokatra. Raha mbola misy ny fandoroana na fisomparana ala, doro tanety, ny fihazana, firaisana tsikombakomba amin’ny mpanondrana sokatra an-tsokosoko, dia hanjavona tsy ho hita eto Madagasikara ny sokatra « astrochelys radiata » ka ho  tantara, anganoangano, arirarira no sisa ho an’ny zanaka hifandimby amin’ny harena voajanahary tokana maneran-tany misy eto amintsika.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer