PolitikaSongadim-baovao
FANASOKETANA MOMBA NY RAHARAHA VOLAMENA ANY KAOMORO: Naneho fanohanana ny rainy Ramatoa Mialy Rajoelina
Mbola raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ilay famoahana vaovao diso nataon’ny gazety kaomoriana iray izay nanonona ny anaran’ny Rafozan’ny Filoha Andry Rajoelina ho tafiditra ao anatin’ny raharaha volamena 49kg tratra tao Kaomoro ny taona 2021. Efa nandefa “droit de réponse” na namaly ity lahatsoratra ity andriamatoa Rodolphe Razakandisa, izay rain’ny vadin’ny Filoham-pirenena.
Omaly, tamin’ny alalan’ny ranty nataony tao amin’ny tambazotran-tserasera “Facebook” no nanararaotra nitondra ny teny fankaherezana sy fanohanana ny rainy Ramatoa Mialy Rajoelina. Nambarany tao anatin’izany fa fandotoana ny anaran’ny fianakaviana no tanjon’ireo mpamoaka vaovao ireo. Nolazainy tao anatin’ny ranty nataony fa izy tenany mihitsy no kendren’ireo mpanenjika, fa amin’ny alalan’ny rainy sy ny zanany, no ataon’iretsy farany fitaovana hahatrarana izany tanjon’izy ireo izany.
Tsara ho fantatra fa efa nandefa taratasy tany amin’ny talen’ny famoahan’ny gazety “La Gazette des Comores” ihany koa ny Governemanta malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanambara ny fisian’ny vaovao diso tao anatin’ny lahatsoratra navoakan’izy ireo. Fotoana izay nampahatsiahivan’ny Minisitera ny fitsipika fototra mifehy izany asa fanaovan-gazety izany, dia ny fanamarinam-baovao. Niantso ny tokony hanitsiana izany vaovao diso izany ihany koa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy.




