PolitikaSongadim-baovaoToekarena
TETIBOLAM-PANJAKANA (LFI 2025) : Efa eny Tsimbazaza, andrasana ny fandinihana azy
Ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo no nanambara ny Filohan’ny Vaomiera maharitra misahana ny toekarena sy ny tetibola, Andriamatoa Razafimahefa Tianarivelo, fa efa tonga eo anivon’ny Antenimierampirenena ny alarobia 30 oktobra 2024 lasa teo ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2025. Notsipihiny araka izany fa ity volavolan-dalàna ity no votoatin’ity fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera ity, ary efa misy ny fandaharam-potoana efa nolaniana hatramin’ny zoma 8 novambra 2024 eo amin’ny Antenimierampirenena manokana. Hita eo araka izany ny mety ho fandaharam-potoana ao aorian’io 8 novambra io ny mikasika ity volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola ity.
Raha tsiahivina, niompana tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolampanjakana ho an’ny taona 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana notanterahina ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika fa dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny famolavolana ny tetibolam-panjakana, izay hitodika amin’ireo sehatra laharam-pahamehana sy hipàka mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Araka izany dia nojerena amin’ny antsipiriany ireo tetikasa voafaritra ao anatin’izany tetibolampanjakana izany mba hahazoana antoka fa mamaly ny hetahetan’ny vahoaka malagasy amin’ny andavanandrom-piainany ireo tetikasa ho tanterahina. Notsipihan’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy natao ho fitsinjarana ny tetibola isaky ny minisitera fotsiny ihany ity volavolan-dalàna ity fa narafitra mba hanatanterahana ny vina ho an’ny fampandrosoana ny firenena izay hifototra amin’ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena, ny angovo sy ny rano, ary ny fotodrafitrasa toy ny fanajariana ireo lalam-pirenena.
Sehatra telo
Araka ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika dia sehatra telo no ho laharam-pahamehana ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2025. Mikasika ny sehatry ny fambolena, ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indiana amin’ny alalan’ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena. Tafiditra ao anatin’izany hanapariahana ny voly vary safiotra sy fahazoana ireo masomboly omena ireo tantsaha. Eo ihany koa ny fananganana ozinina mpamokatra zezika. Ny fahamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra ihany koa dia mibahan-toerana ao anatin’izany tetibolam-panjakana 2025 izany. Ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina mitotaly 250MW no haparitaka amin’ireo renivohiparitany ary ny 100MW amin’izany dia apetraka eto Antananarivo renivohitra. Eo ihany koa ny hanatanterahana ny tetikasa fanodinana ny fako eny Andralanitra izay hahafahana mahazo herinaratra 20MW hatramin’ny 30MW. Ho faranana ny fametrahana ireo tetikasa goavana famokarana herinaratra amin’ny herin’ny rivotra sy ny rano. Tohizana ankilan’izany ihany koa nefa ny tetikasa fizarana ireo « kits solaires » ho an’ireo tokantrano manerana ny Nosy. Tanjona ny hametrahana vahaolana maharitra amin’ny olan’ny famatsiana herinaratra sy hanenana ny « subventions » omen’ny fanjakana ny Jirama. Ho an’ny sehatry ny fotodrafitrasa dia tsy maintsy hajariana avokoa ireo lalampirenena manerana an’i Madagasikara izay antoky fivezivezen’ny olona sy ny entana ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Mitohy avokoa ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa lehibe izay efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika toy ny RN13, ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ho an’ny tetikasa Flyover Anosizato – Kianja Maki Andohatapenaka, ny Fitondram-panjakana no hiantokany 20% ny asa amin’ny alalan’ny PIP.
Ankoatra ireo sehatra telo laharam-pahamehana ireo dia mitohy ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe izay efa natomboka tamin’ny fe-potoam-piasana voalohan’ny Filohan’ny Repoblika. Anisan’izany ny fitarihan-drano lehibe Efaho any Atsimon’ny Nosy, ny fizarana ireo karinem-pokontany misy “QR Code” manerana ny nosy, ny fampitaovana ireo sekolim-panjakana, ny fananganana ireo ivon-toerana fampiofanana arak’asa. Nampatsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika hatrany fa ny tanjona tamin’ny nandrafetana ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2025 dia ny hitondrana fampandrosoana eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy tsirairay.
Ny Fanoratana.



