Songadim-baovaoSosialy
FAHASALAMANA MANAKAIKY VAHOAKA : Handalo Faritra telo ny « Caravane médicale 2024 » niainga ny sabotsy teo
Tafiditra tanteraka ao anatin’ireo andry telo ifotoran’ny fampandrosoana ny firenena ankehitriny ny fampivoarana ny maha olona. Anatin’ny fanatanterahana izany indrindra ny hetsika « Caravane médicale » izay efa nisy nanomboka ny taona 2019, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Arivelo Randriamanantany. Tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany no hita mandritra izany, izay maimaimpoana avokoa. Notsindrian’ny Minisitra fa hatramin’ny nanatanterahana ity hetsika ity dia ny areti-nify no anisan’ny betsaka mpahazo ny Malagasy, araka ny angom-baovao.
Faritra handalovan’ny lalam-pirenena fahafito no hanatanterahana ny hetsika. Isan’izany ny Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, ary Atsimo Andrefana.
”Mikaroka paik’ady rehetra ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka fahasalamana manakaiky Vahoaka, ara-kalitao sy manaraka ny fenitra”, hoy ny fanazavana.
Nanainga tao amin’ny CHU JRA ny sabotsy teo indray ny fiaraben’ny fahasalamana hitondra fitsaboana maimaimpoana ho an’ny Vahoaka. Ity hetsika ity dia eo ambany fiahian-dRamatoa Mialy Rajoelina , vadin’ny Filoham-pirenena sady Filohan’ny « Association Fitia », izay tanterahin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary ireo mpiara-miombona antoka maro samihafa.
Tonga nanome voninahitra sy nitso-drano izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr. Randriamanantany Zely Arivelo , notronin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary naneho ny fiaraha- mientana miaraka ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpisehatra rehetra entina hampandroso ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ary tafiditra anatin’izany ny ady amin’ny Herisetra.




