PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA FANANGANANA FONJA : Vitaina amin’ity taona ity ny 20%-n’ny asa rehetra
Antony iray lehibe mahatonga hatrany ny trangana fahavakisana fonja eto amintsika ny hamaroana voafonja be loatra any anivon’ny Fonja. Tranga efa ela anefa izany fa tsy vao izao, saingy tsy nisy nanao laharam-pahamehana izany ny mpitondra nifandimby. Vain-dohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny kosa ny fananganana fonja vaovao, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsarana…
Manaratsy endrika an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao ny tontolon’ny Fonja eto amintsika. Efa betsaka ireo fiarahamonim-pirenena eto an-toerana sy any ivelany, indrindra ireo misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona no nanao antso avo amin’ny tokony hitadiavana vahaolana maharitra amin’ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Ankehitriny, vonona hiroso amin’izany ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsarana. Tao anatin’ny fito volana, fonja manarapenitra 14 sy fitsarana ambaratonga voalohany 10 no natsangan’ny Fanjakana. Izany no natao, dia ny mba hanenana ny isan’ireo voafonja izay efa mihoatra ny 20% amin’izao fotoana, eny anivon’ny Fonja. “Tokony hifanaraka amin’ny isan’ny voafonja ny fotodrafitrasa handraisana azy ireny”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny. Niezaka, hoy izy, ny minisitera ny nampiditra tetibola misimisy kokoa tao amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana tamin’ity taona ity, mba hahafahana manatanteraka ireo tetikasa ireo. Mbola betsaka anefa, hoy izy, no tsy vita. Ary betsaka ny toerana mila fotodrafitrasa vaovao. Noho izany indrindra no efa haminavinana ny fampidirana ao amin’ny tetibolam-panjakana 2021, tetibola ho an’ny fananganana fonja vaovao.
Fitsarana ambaratonga voalohany maro hatsangana
Efa vita amin’ny ankapobeny fonja vaovao ao Sambava, Fianarantsoa, Imeritsiatosika. Mbola anatin’ny asa tanteraka kosa ny ao Sainte Maire, Kelivondraka, Belo ambonin’ny Tsiribihana, Ambositra, Amboasary Atsimo, Besalampy. Nilaza ny minisitra fa ho vitaina mialohan’ny faran’ity taona ity avokoa ny 20%-n’ireo asa rehetra ireo. Amin’ny ankapobeny, tsy voasakan’ny Hamehana ara-pahasalamana ny asa fanarenana. Lahara-pahamehana rahateo izany raha ny zava-misy amin’ny tontolon’ny Fonja eto amintsika no asian-teny. Etsy ankilany, efa mandeha ny asa fanamboarana ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Ambohitrabiby, Antananarivo Avaradrano, Ambatofinandrahana, Bealanana, Vohémar, Mananara. Zava-dehibe ny fijoroan’ireo fitsarana ambaratonga voalohany ireo satria saika mbola tsy voatsara avokoa ny ampahany betsaka amin’ireo olona tazonina ao am-ponja. Paikady mahomby amin’ny fampihenana ny isan’ireo voafonja, noho izany, ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ireo satria hanafaingana ireo raharaham-pitsarana rehetra, hisorohana ny fampidirana am-ponja vonjimaika ela loatra.




