Trangam-piaraha-monina

RAHARAHA KIDNAPPING : Mitaky volabe 17 tapitrisa Ar amin’ ny fianakavian’ilay tovolahy ireo mpaka an-keriny

Misy miverina manandrankandran-doza momba ny resaka fakàna an-keriny indray tato ho ato ! Lehilahy iray mpanao « cash point » 25 taona niala teo amin’ny toeram-piasany tao Mamoladahy omaly tamin’ny 3 ora hanatitra « vola maty » eo ampitan’ny toeram-pivarotana solika iray ao Imeritsiatosika, saingy tsy mbola niverina hatramin’izao ary tsy nandeha intsony ny findainy. Arakan y fitarainan’ny rainy mipetraka ao Mamoladahy, tamin’ny mpitandro filaminana ao amin’ny Kaompanian’ny zandarimaria ao Arivonimamo, dia volabe mitentina 1.500.000 ariary ny vola teny aminy ho aterina ary nisy volabe 4 tapitrisa ariary ny tao anaty kaonty MVola-ny. Omaly tamin’ny 7 ora hariva, naharay soratra maro sosona na SMS ny rainy hoe « Araho tsara ny toromarika, raha mbola te hahita azy ». Marihina fa ny findain’ity tovolahy tsy hita ity ihany no nampiasain’ireo milaza fa mahita ilay olona tsy hita. Misokatra ny fanadihadiana izay iandraiketan’ny tobim-paritra Imerintsiatosika sy Arivonimamo, eo ambany fitarihan’ny Komandin’ny vondron-tobim-paritra.
Araka ny valin’ny fitsirihana ilay finday nampiasain’ireo olon-dratsy, dia efa fantatra ny toerana misy ireo olon-dratsy, indrindra ilay finday ampiasain’ireo mpaka an-keriny. Nampandrenesina ny Vondron-tobim-paritra Maevatanàna sy Ambato-Boeny ary Mahajanga hanao fisavana, izay olona sy fiara rehetra mandalo, amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny, ary efa nezahina nampitaina ho an’ireo mpikaroka ny sarin’ilay niharam-boina sy ny toerana misy ny findainy farany. Hisy, araka izany, ny savahao tanterahina any amin’ireo toerana izay voalaza fa nahitana farany ilay finday. Araka ny nambaran’ny Rain’ilay olona tsy hita koa, dia nandefa soratra maro sosona na SMS io findain’ny zanany io omaly maraina ary nitady volabe mitentina 17 tapitrisa Ar. Mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo mpaka an-keriny. Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, dia tsy nisy nahasahy intsony ny fanaovana « kidnapping » an-tanàn-dehibe, saingy izao misy mahasahy manandrakandran-doza izao indray. Ny azo antoka, dia tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny Mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, izay mahavanona izao zava-doza izao.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer