Songadim-baovaoToekarena

FAMPIVOARANA NY TOEKARENA: Mila hafainganin’ny Fanjakana ireo tetikasa fampiasam-bola

Marin-toerana ny toekarena sy ny fiakaram-bidim-piainana eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, andriamatoa Aivo Andrianarivelo, omaly, nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Fotoana izay nanambarany fa misy ireo fepetra maromaro ampiharina mba hampisosa araka ny tokony ho izy ny tontolo ara-bola eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa ny anjara andraikitry ny Banky foiben’i Madagasikara dia ny Ady amin’ny fitotongan’ny vidim-piainana amin’ny lafiny ara-bola sy fijerena manokana ny sandan’ny vola malagasy Ariary anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Manatanteraka fivoriana isaky ny telovolana ny eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara, amin’ny alalan’ireo Komity ara-bola na Comité monétaire.
Nampahafantarina omaly, araka izany, fa miadana ny fihodin’ny toekarena eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Mitarika vokatra maro eo amin’ny tontolo ara-bola izany. Ka nahatonga ny BFM nandray fepetra amin’ny taha alaina rehefa mampindram-bola ny banky tsotra. Noferana ho 11,50 % izany.
Hanome aina ny toekarena ny fampiharana paikady maromaro, araka ny nivoitra omaly. Isan’izany ny fanafainganana ireo tetikasa fampiasam-bola eto Madagasikara. Eo koa ny tokony hafainganana ny fandoavana ireo volan’ny orinasa manao ny asam-panjakana, Manana vina maro dia maro ny Fanjakana mifandraika amin’izany fa ny fametrahana azy kosa no olana.
Sandan’ny ariary
Tsara ho fantatra fa maherin’ny 2, 277 tapitrisa dolara amin’izao fotoana ny vola vahiny eo ampelatanan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Tao anatin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly ihany koa moa no nanazavan’ny Governoran’ny BFM ny mahakasika ny sandan’ny Ariary izay nolazaina hatrany fa mitotongana. Miainga amin’ny zava-misy ny hamaritana ny sandan’ny ariary , hoy izy, fa tsy izay heverintsika fa tokony ho izy. Isan’ny nambarany tamin’izany ohatra ny fahasahirana hahazo ny Fadintseranana malagasy raha toa ka atao 1 000Ariary ohatra ny sandan’ny ariary. Hampihena ny vola hiditra amin’izy ireo izany, kanefa ny Fadintseranana malagasy no anisan’ny sampandraharaham-panjakana mampihodina betsaka ny toekarena malagasy.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer