PolitikaSongadim-baovao
OLAN’NY FAHATAPAHAN-JIRO : Handray andraikitra feno momba ireo fanakorontanana ny Hery fiarovana sy filaminana
Mahakasika ny fahatapatapahan-jiro eto Antananarivo renivohitra, izay miteraka fanakorontanana marolafy tanterahin’ireo olona sasany. Nanambara ny lehiben’ny Emmo/Nat, tarihin’ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert, komandin’ny zandarimariam-pirenena fa mijoro mandray andraikitra feno ny Mpitandro filaminana mivondrona ao amin’ny Hery fiarovana sy ny filaminana ho fisorohana ny fanakorontanana sy hisian’ny filaminana eto an-drenivohitra. Hentitra izy ireo nanambara, afakomaly alina, fa tsy hanaiky ny endrika fanohintohinana ny filaminam-bahoaka…
Manoloana ny olan’ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra, izay miteraka fanakorontanana ataon’ireo olona sasany, dia mijoro mandray andraikitra feno ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana ho fisorohana ny fanakorontanana sy hisian’ny filaminana eto an-drenivohitra. Nirotsaka an-tsehatra nijery ny fomba fiasan’ireo mpitandro filaminana, noho izany, ny Lehiben’ny Emmo/Nat afakomaly alina, notarihin’ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Contrôleur Général de police Rakotozanany Dany Marius, Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ary ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika. Nankahery ireo mpitandro filaminana izy ireo, ary tsy miraviravy tanana manao ny asany andro aman’alina. Hentitra, araka izany, ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, mpitarika eo anivon’ny Emmo/Nat fa « araka ny angom-baovao azo, dia misy andian’olona efa voakarama, mifindrafindra isaka ny misy korontana. Ary izy ireo no mitarika ny olona hikorontana ».
Manoloana izany, dia nanamafy sy nanao antso ho an’ny vahoaka izy, mba tsy ho voasarika amin’ny endrika fanakorontanana izany ny rehetra. Hentitra, araka izany, ny eo anivon’ny Emmo/Nat ary tsy manaiky ny endrika fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Nampitandrina ireo mpanakorontana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, fa tsy handefitra velively. Nitsotra ny avy eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana, fa na izy ireo koa aza, mba misedra ny olan’ny fahatapahan’ny jiro tahaka ny rehetra. Nasongadiny fa efa manao ireo fomba rehetra hamahana ny olana amin’ny fahatapahan-jiro ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, hoy ny Lehiben’ny Emmo/Nat, ka tokony ho samy miezaka ny tsirairay, hampanjaka ny fandriampahalemana.
Rado Harivelo




