Songadim-baovaoSosialy

OLONA EFATRA MATIN’NY PESTA : Nandraisana fepetra ireo olona 240 nifampitakosina

Tonga nampilaza ny mpitandro filaminana tao Mangatany ny dokotera lehibe CSBII eo anivon’ny kaominina nampilàza fa misy olona iray matin’ny maneho fitrangan’ aretina pesta eo amin’ ny fokontany Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny alatsinainy lasa teo. Raha naharay izany fampilazàna izany ny zandary miasa eo an-toerana, nidina sy nijery ary nanamarina ny zava-misy. Rehefa natao ny fizahàna ifotony dia vehivavy io maty io, ary raha nanontaniana ny fianakaviany, nanazava fa namonjy lanonana tany amin’ ny Kaominina Mahitsy disitrikan’ Ambohidratrimo izy ireo, tamin’ny faramparan’ny volana oktobra iny. Tao aorian’izay anefa, nisy vehivavy roa maty tamin’ireo olona nanatrika ilay lanonana. Izay noheverina fa fanapoizinana ara-tsakafo no nahazo ireo olona ireo. Ny 31 oktobra anefa, raha andalana nidina hody any Mangatany ireo fianakaviana ireo, dia narary koa ny tovolahy iray ka nampamonjena maika tao amin’ ny CSBII Miantso ao anatin’ny distrikan’ Ankazobe. Maty tao Miantso io tovolahy io, ny 01 novambra 2024 ka nentin’ny fianakaviana ho alevina tany amin’ny Kaominina Mangatany, Distrikan’i Fenoarivobe.
Nandraisana fepetra ireo olona 240…
Mbola noheverina fa fanapoizinana ara-tsakafo no nahafaty ity farany, ka tsy nampikoropaka ny fianakaviana.Taitra anefa ny fianakaviana fa dia maty tampoka koa ny anabavin’io lehilahy io, ny 04 novambra 2024. Mitovy daholo ny fomba nahafaty ‘ireo olona efatra ireo ka nampiahiahy ny tao amin’ ny CSBII Mangatany izany, ary nanaovana fizahana manokana ity maty farany ity. Teo no nahitana fa « peste pulmonaire » no nahafaty azy sy ireo olona ireo.
Nidina avy hatrany tao amin’ ny Kaominina Mangatany ny Mpitsabo miasa ao Fenoarivobe sy ny mpiara-miasa aminy nizara fanafody fisorohana ho an’ireo olona mety nitakosina tamin’ireo olona maty ireo, izay nahatratra tany amin’ ny 240 olona tany. Nentanina ireo olona rehetra mety ho marary na toy ny ahoana na ahoana, mba anatona avy hatrany ny CSB II Mangatany, hanaraha-maso ny fahasalaman’izy ireo. Nivory maika ny OMC distrikan’i Fenoarivobe ka tapaka tamin’izany fa tsy azo atao aloha ny mijanona eo amin’ io tanànan’i Mangatany io ho an’ireo fiara sy môtô mampiasa ny lalana mampitohy an’i Mahitsy sy Fenoarivobe, mandritra ny 12 andro. Nentanina koa ny mponina ao Mangatany, mba tsy hivoaka ny tanàna raha mbola azo atao. Natao « béton » ny fasana nanitrihana ireo razana roa ireo, ka tsy ho azo sokafana intsony.
Pierre M

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer