PolitikaSongadim-baovao

VINAN’NY FILOHAM-PIRENENA: Miroso ny dinika fametrahana ny Faritra Vatovavy

Mananjary hatrany no renivohitry ny Prefektiora nanomboka tamin’ny vanim-potoan’ny fanjanahan-tany hatramin’ny Repoblika fahatelo. Rehefa nijoro anefa ny Faritra Vatovavy Fitovinany dia lasa I Manakara no Renivohitry ny Faritra. Nanahirana ny vahoaka avy any Mananjary, araka izany, ny manao raharaha sy taratasim-panjakana samihafa satria voatery tsy maintsy makany Manakara izy ireo. Izay no anisan’ny nangatahan’ny vahoakan’i Mananjary ny hampijoroana ny Faritra Vatovavy. Nanomboka tamin’ny taon-dasa ary naharitra amam-bolana maro no efa nandeha ny dinika sy fanadihadiana mikasika ny fampijoroana io faritra faha-23 eto Madagasikara io. Nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ireo sokajin’olona maro manerana ireo distrika enina ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, nanomboka tamin’ireo vahoaka ka hatramin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany samihafa ary ireo raiaman-dreny ara-drazana sy ampanjaka. Ankehitriny, nantsoin’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitrosorohitra ireto raiaman-dreny ara-drazana, ampanjaka sy Solombavambahoaka avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ireto. Antony, ny mba hahafahana mandray ny fanapahan-kevitra amin’ny famaritana sy fampijoroana ny faritra roa, dia Vatovavy sy Fitovinany. Mba ho tena fandaminana iarahan’ny rehetra manaiky tokoa no hipetraka.

Efa vonona ny tetibola ho an’ny Faritra Vatovavy

Tamin’ity fihaonana ity, samy naneho ny heviny ireo ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka ary Solombavambahoaka ary nitondra ny hetahetan’ireo vahoaka any ifotony. Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina kosa dia nanazava fa fandaminanana ara-panjakana (découpage administratif) no hatao mba hanamorana ny fiainan’ny vahoaka sy ny fikarakarana ireo raharaham-panjakana. Fa indrindra ihany koa, natao hampandrosoana ny Faritra. Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hisy ho diso anjara amin’ny fampandrosoana intsony ny Distrika rehetra manerana an’I Madagasikara. Efa vonona ireo tetikasa samihafa entina hampandrosoana ireo Distrika rehetra ka isan’ny hisitraka izany ny ao Vatovavy. Ho an’ny Distrikan’Ikongo manokana ohatra, efa maro ireo fotodrafitrasa hapetraka ao. Efa tamin’ny andron’ny repoblika voalohany avokoa mantsy ny fotodrafitrasa misy any an-toerana. Hisy ny hopitaly manarapenitra izay hapetraka ao Ikongo, hisy koa ny “gymnase” hahazaka olona 1000, ny sekoly manara-penitra sy ny tetikasa hafa maro. Ankoatra izay, efa vonona ihany koa ireo engin ho an’ny Faritra rehetra ka ao anatin’izany ny an’I Vatovavy sy Fitovinany mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa toy ny fanamboaran-dalana. Nambaran’ny Filoham-pirenena fa efa vonona ny tetibola ho an’I Vatovavy rehefa tafajoro ity Faritra faha-23 eto Madagasikara ity. Nankasitraka ny Filohan’ny Repoblika ireo ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka sy Solombavambahoaka ireo ary naneho ny fahavononan’izy ireo hanampy amin’ny fampijoroana ny faritra faha-23.

Fermer