PolitikaSongadim-baovao

TOBY MIARAMILA « 1ER BATAILLON PARACHUTISTE » IVATO : Manamboninahitra jeneraly miisa 30 notolorana Faneva

Notontosaina tetsy amin’ny toby miaramila « 1er Bataillon Parachutiste » Ivato omaly, ny lanonana fanolorana ny Faneva ho an’ireo manamboninahitra jeneraly izay nahazo ny laharam-boninahitra ny taona 2023. Miisa 16 ireo « Général de Brigade » ary 11 kosa ny « Général de Division » raha roa no « Général de corps d’armée » dia ny Minisitry ny Foloalindahy sy ny Ministra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.
Ny Filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry Rajoelina sady Lehibe Faratampon’ny Foloalindahy no nanolotra izany ho azy ireo teny an-toerana. Nandritra ny lahateny izay nataony dia notsindrian’ny Filoham-pirenena ny adidy sy andraikitra mifaningotra amin’ireo kintana sy eny an-tsorok’ireto manamboninahitra jeneraly ireto. Toraka izany koa, ny fanajana sy fampiharana ny filamatra izay misoratra amin’ny Faneva izay natolotra azy ireo tsirairay avy omaly, eo amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo.
Mampirisika ireto manamboninahitra jeneraly vao notolorana Faneva ireto koa ny Filoha Rajoelina mba ho modely ho faka tahaka amin’ny fomba fiasa sy amin’ny fitondran-tena, mba ho mendrika, mba ho fitaratra eo amin’ny fitiavan-tanindrazana. Amin’ny maha lanonana miaramila ilay natao omaly, dia nisy ny Fisafoana ny Andian-tafika nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara. Taorian’izay no novakiana ny Didim-panjakana manendry ireto Jeneraly ireto amin’ny laharam-boninahitra misy azy avy, izay nataon’Andriamatoa Vice-amiral Jeannot Assany Bemarivo, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Hiaro ny fiandrianam-pirenena…

Nasongadin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin tamin’ny lahateniny kosa, fa vonona ny hijoro mandrakariva izy ireo hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vonona hatrany koa ny Folohalindahy ho izy hanatanteraka ny fiarovana sy ny fametrahana ny fandriampahalemana, araka ny voafaritra anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na ny « PGE ». « Tsy miraviravy tanana ny Foloalindahy fa manao ny ezaka hanatsarana ny paikady mba hisy vokany eo amin’ny fiainanan’ny vahoaka. Nilaza koa ny Minisitra fa mizotra anatin’ny fametrahana ny « Force Essentielle Minimale » ny Foloalindahy amin’izao. Manoloana io dia nisaotra manokana ny Filoha izy ireo, ny amin’ny fitsinjovana sy ny fampitaovana ny Tafika, nentina nanatanteraka ny asa sy ny firosoana hatrany amin’izany fanitsian-drafitra izany.

Nitodika tamin’ireo manamboninahitra jeneraly vao notolorana faneva koa ny Minisitry ny Foloalindahy sady nitsodrano azy ireo. « Tsarovy mandrakariva fa tsy haingo ny galona fa mitaky andraikitra ary aza hadinoina fa manana tamberinandraikitra amin’ny vahoaka isika, mba ho mendrika izany adidy masina izany manoloana ny tarigetra izay isaloranareo. Ny faneva atolotra dia marika hita maso sy fakahan-tahaka ho an’ireo zandry sy ny olom-pehezina », hoy ny Minisitry ny Foloalindahy. Teto koa dia nirary tolo-tanana avy amin’ny rehetra ny Minisitry ny Foloalindahy hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ady iraisana io, hoy izy, fa tsy mahavita tena irery ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer