Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

SAVOROVORO TAO SAKARAHA: Nisy ny namoy ny ainy, votsotra teo am-pelatanan’ny fokonolona ireo Polisy miisa efatra

Omaly vao maraim-be tao Sakaraha no nitrangan’ity disadisa teo amin’ny fokonolona sy ny Polisin’ny FIP miasa ao Toliara ity. Nosamborin’ny fokonolona izy ireo ary notazoniny rehefa tsy nahafa-po ireto farany ny zava-nitranga vokatry ny tsilian-tsofina nandeha. Raha ny fizotr’ity raharaha ity dia namita iraka tao Sakaraha ireto mpitandro filaminana avy amin’ny FIP miisa efatra, izany hoe nandeha nisambotra olona izay nisy nitory tao amin’ny Kaominin’Amboronabo Sakaraha, niaraka tamina olon-tsotra nitari-dia azy ireo. Nitodi-doha avy hatrany anefa, ireto delegasiona vantany vao vita ny iraka nampanaovina azy ireo. Tsy mbola lasa lavitra anefa, ireto farany, dia niantso fokonolona tamina tanàna hafa teo akaiky ireo teo an-tanàna. Nilazan’izy ireo, fa “nisy dahalo nanafika izahay no sady nisy olona nalain’izy ireo an-keriny”. Niroso tamin’ny fanakanana avy hatrany ireo fokonolona, ary raikitra nandritra izany ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ireto Mpitandro filaminana. Vokatr’izany dia olona miisa roa no voalaza fa namoy ny ainy, ny iray tamin’ireo nitari-dia ny Polisy, ary ny iray hafa avy tamin’ny fokonolona. Taorian’izany dia nidina tany an-toerana avy hatrany ny Polisy sy ny Zandary ary ny Tafika malagasy, mba hamotsotra ireo Polisy voatazon’ny fokonolona. Ora vitsy taorian’izany ihany anefa, dia fantatra, fa votsotra teo am-pelatanan’ny fokonolona ireo Polisin’ny FIP Toliara miisa efatra.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer