Songadim-baovaoSosialy

ANTONTANISA MANERAN-TANY: Ankizy 1 amin’ny 2 no iharan’ny herisetra

Mbola ambana tsy hahafahana mampivoatra ny ankizy ny fisian’ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Raha ny tatitry ny Unicef dia ankizy 1 amin’ny 2 maneran-tany no hiaran’ny herisetra ankehitriny. Antony nanosika amin’ny tsy maintsy nikarakarana ny fivoriambe maneran-tany mikasika ny herisetra atao amin’ny ankizy izany zava-misy izany.

Rehefa izany, notanterahana tany Bogota, Colombie, tamin’ny 07 sy 08 novambra lasa teo ny fivoriambe voalohany mifandraika amin’izany herisetra atao amin’ny ankizy izay. Nanatrika sy nandray anjara tamin’izany i Madagasikara. Nitarika ny delegasionina Malagasy tany an-toerana ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Razafinjato Aurélie.
Nisy ny lahadinika ofisialy mahakasika ny ezaka sy ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra. Teo ihany koa ny famaritana ireo fanamby mbola tokony ho tanterahina ka misongadina amin’izany ireto tanisaina manaraka ireto:
-fametrahana ny politika fiarovana ny ankizy hatramin’ny taona 2026,
-fametrahana ny rafitra nasionaly ho fiarovana ny ankizy aminy herisetra, atao ny taona 2025,
-famolavoalana ny programa nasionaly mametraka ny andraikitry ny Ray aman-dReny amin’ny fiarovana ny ankizy, atao ny taona 2025 hatrany,
-fampitomboana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan’ny herisetra,
-fanomezan-danja ireo mpiantsehatra ara-tsosialy,
-faletrahana ny didim-panjakana mamaritra ny fianakaviana izay afaka mandray ny an-tanana ireo zaza tsy misy Ray aman-dReny mpiahy intsony.

Antenaina fa hitondra tombony ho an’ny firenentsika ny fanatrehana izao fivoriambe maneran-tany voalohany momba ny herisetra atao amin’ny ankizy izao.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer