Songadim-baovaoToekarena
«ROUTE DU SOLEIL» AMBOVOMBE-AMBILOBE: Ampahan-dalana maro efa vita sy an-dalam-panamboarana, mihoatra ny 50% efa nahitana famatsiam-bola
“Mametraka fanamby amin’ny asa fanamboaran-dalana eto Madagasikara ny Fitondram-panjakana”, hoy ny fanehoan-kevitra nentin’ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore. Nohazavainy fa maherin’ny 30 000Km ny halavan’ny lalana eto Madagasikara ary ny 12 000Km amin’ireo no lalam-pirenena. Lava ireo lalana ireo ka tsy maintsy hametrahana laharam-pahamehana ny fanamboarana sy ny fanarenana azy. Anisan’ny natao laharam-pahamehana, araka izany, ny fanarenana ireo lalam-pirenena lehibe sy betsaka mpivezivezy toy ny RN2, RN4, RN6 ary RN7. Nambaran’ny Minisitra fa efa eo am-pelatanana avokoa ny famatsiam-bola amin’ny fanarenana azy ireo ankehitriny. Misy no an-dalam-panamboarana ary misy sasany vao hanomboka amin’ny asa fanarenana.
Ankoatra azy ireo, tetikasa goavana andrian’ny fon’ny Filohampirenena Andry Rajoelina ny asa fanamboaran-dalana “Route du soleil”. Isan’ny nasiny teny ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana izany nandritra ny tafa miantefa amin’ny vahoaka nataony tamin’ny alahady lasa teo. Raha tsiahivina, mihoatra ny 2 000Km ny halan’ny “Route du soleil” izay mampitohy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, miainga avy any Ambovombe ka hatrany Ambilobe. Stratejika tokoa io lalana io satria mandalo Faritra sy Distrika maro manana otrikarena lehibe toy ny fambolena, indrindra ireo voly fanondrana. Eo ihany koa ireo harena an-kibon’ny tany sy harena an-dranomasina maro.
Rehefa izany, mandroso amin’ny ankapobeny ny fampiharana ny tetikasa “route du soleil”. Misy ny ampahan-dalana efa vita tanteraka toy ny eo anelanelan’Ambilobe sy Vohémar mirefy 151km, sy ny lalana mampitohy an’i Manakara sy Manajary. Maro ihany koa ireo ampahan-dalana an-dalam-panamboarana toa an’Ambovombe-Taolagnaro mandalo an’Amboasary mirefy 114km, izay maherin’ny 55%-n’ny asa fanamboarana-dalana no vita araka ny fantatra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra tamin’iny herinandro lasa iny. Eo am-panamboarana toy izany ihany koa ireo lalana hafa toa ny eo anelanelan’i Manakara sy Irondro, ary Antsapanana-Toamasina. Ankilany, nanazava ny tompon’andraikitra fa mihoatra ny 50% amin’ireo asa fanamboaran-dalana ao anatin’ny “Route du soleil” no efa nahitana famatsiam-bola ankehitriny. Izany hoe ireo ampahan-dalana mbola tsy vita sasany dia efa nahitana mpamatsy vola na eo an-dalam-panatanterahana ny fifandresen-dahatra amin’izao fotoana. Ohatra amin’ireo lalana efa voalahatra fa hatomboka ny any Ebakika hatrany Somisika izay efa hiatrana eny an-toerana ny fiarabe sy fitaovana fanamboaran-dalana mialohana ny faran’ny taona, sy ny eo anelanelan’i Mahasianaka sy Vangaindrano. Hatomboka amin’ny voalohan’ny taona 2025 ny fanarenana ny lalana Toamasina-Foulpointe. Tsara ny manamarika fa misy amin’ireo ampahan-dalana ao anatin’ny “Route du soleil” no efa vita tara tany aloha saingy noho ny fahasimbana mihatra aminy dia tsy maintsy hirosoana ny fanarenana. Misy ny ampahan-dalana mbola lalan-tany, ary ihany koa ireo fiampitana baka havadika ho tetezana mafy fototra kokoa. Fehiny, hitarika fampandrosoana goavana eto amin’ny firenena ary hanatsara ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ireo asa fanamboaran-dalana tanterahana ao anatin’ny “Route du soleil”.
Sarobidy Sidonie.




