Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
NATAO SORONA SA… ? : Zazalahikely iray maty notapahin-doha
Nalefa niandry fody ny zazalahy iray tao Fonilaza, kaominina Ambalavato Nord, ny alahady lasa teo. Tsy nody izy rehefa hariva ny andro, ka nitsoka antsiva ny havany namory fokonolona hitady azy. Ny nampalahelo tamin’izao tranga izao, ny fatiny sisa no hita tao Mahatsara II, kaominina Andakana, tamin’ny 7 ora hariva ary efa tsy teo intsony ny lohany. Mbola nisy nanararaotra nangalatra koa, ny ombin’izy ireo telo, tao am-bala nandritra ny fikarohana ilay zaza, araka ny voalazan’ny sefo fokontany. Efa nanara-dia miaraka tamin’ny fokonolona ny miaramila, ary efa any an-toerana ny Komandin’ny kompania sy ny lefiny miaraka amin’ny zandary nanohy ny fikarohana sy hanao hazalambo ny nahavanon-doza.
Raha somary nangingina ny resaka fanapahan-doha, dia niverina indray. Tany amin’ny farany volana jolay tany no nisy tranga teo amin’ny sisin-dalana mampitohy an’ny Oniversiten’i Maninday sy Samontolahy Fokontany Besasavy, kaominina ambanivohitra Mitsinjo/Betanimena distrikan’i Toliara-II. Lehilahy iray sahabo ho 35 taona mahery no hita midaboka eo amin’ny sisin-dalana, mihosin-dra ary tsy nahitana loha intsony, izay mbola tsy fantatra ny momba azy. Tsy miakanjo ambony, ary nanao pataloa maitso vasoka, tsy mitondra kapa. Ahitana ratra noho ny kapa antsy ny rantsa-tanany havanana. Nitohy ny fikarohana izay nahavanon-doza, saingy efa tranga hafa indray no niseho. Raha ny tranga mateti-piseho amin’ity resaka fanapahan-doha ity, saika atao sorona no anapahan’ireo olon-dratsy lohan’olona.
Pierre M.




