
Songadim-baovaoSosialy
FIAHIANA NY MAHA OLONA: Olona maherin’ny 500 hisitraka rantsam-batana artifisialy maimaimpoana
Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly tetsy Andraharo ny hetsika fametahana rantsam-bantana artifisialy na "prothèses", teo ambany fiahian'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina. Ny "Fikambanana Mahatsangy" miaraka amin'ny BMVSS (Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti) avy any Inde no nitondra ny tetikasa. Olona manana fahasembanana miisa 500 manerana ny Nosy no kendrena hisitraka izany.
10% amin’ny Malagasy no manana fahasembanana, raha ny antontan’isa. Ka raha tamin’ny taona 2022 dia olona 260 notapahana tongotra ihany no tonga nangataka solontongotra teny amin’ny Centre d’appareillage de Madagascar na CAM, noho ny halafosan’ny saran’ny fametahana ireo solontongotra artifisialy ireo.
Ho an’ny Firenena an-dalampandrosoana toa antsika eto Madagasikara dia lafo tsy takatry ny besinimaro ny saran’ny « prothèses ». Mbola sarotra ihany koa anefa ny fanarenana « réeducation » aorian’ny fametahana ireo fitaovana ireo ary efa mivoatra manaraka ny teknolojia izany. Ankoatra ny fampitaovana dia hisitraka fampiofanana sy fanamafisana fahaiza-manao ihany koa ireo teknisiana ao amin’ny Centre d’Appareillage de Madagascar (CAM) eny Befelatanana.
Omaly, natomboka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Galaxy Andraharo ny hetsika fametahana rantsam-bantana artifisialy na « prothèses », teo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina izay Reny mpiahy (marraine) ity hetsika ity. Olona 500 (ahitana ankizy, tanora sy zokiolona lahy sy vavy) manerana an’i Madagasikara (misy any Moramanga, Tolagnaro, Antsohihy, Antsiranana, sns…), manana fahasembanana (notapahana tongotra na tanana) no hametrahana ireo « prothèses » ireo. Haharitra 42 andro ny hetsika hametahana ireo fitaovana ara-medikaly ireo eto amin’ny Galaxy Andraharo.
Fanolorana « prothèses » faobe
Sambany ho antsika eto Madagasikara no misy fanolorana « prothèses » faobe toy ny natao omaly teny Andraharo. Ny « Fikambanana Mahatsangy » miaraka amin’ny BMVSS (Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti) avy any Inde no nitondra ny tetikasa. Ny « prothèses » izay zarain’izy ireo maimaim-poana dia maivana satria vita amin’ny plastika, mahazaka hafanana sy hamandoana, malefaka natao ho azo entina miasa na eny amin’ny tontolo ambanivohitra aza. Efa manodidina ny roa tapitrisa (2 millions) ireo « prothèses » nozarain’ny BMVSS manerana izao tontolo izao izay nametrahana « Camp » 110 ary Firenena maherin’ny efapolo (40) no efa nahita tombontsoa tamin’ity tetikasa ity toa an’i : Afghanistan, Honduras, Indonesie, Malawi, Nigeria, Nepal, Kenya, Rwanda, Somalie, Vietnam, Zimbabwe, Pakistan, Sri Lanka, Senegal, Maurice, Ethiopie, Egypte, Tanzanie, Palestine, Iran sy ny sisa. Ka izao tonga eto Madagasikara izao izy ireo.
Fahaleovantena sy fahafahana
Ho antsika eto Madagasikara dia efa nisy ny fandraisana ny fepetra fanafahan-ketra amin’ny fadin-tseranana nanomboka nihatra ny janoary 2011 sy ny TVA nanomboka ny volana Aogositra 2021, amin’ny « prothèses » ho an’ny olona manana fahasembanana, mifanaraka amin’ny lalàna velona eo amin’ny andininy laharana 9021.10 00 amin’ny fehezan-dalana mifehy ny haban-tseranana.
Nasongadin’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina nandritra ny kabariny fa ity hetsika ity dia : « hamelona ny fanantenana ho an’ireo mpiray tanindrazana amintsika izay maniry ny hiverenan’ny ny fahafahan’izy ireo mamindra ary hanana fahaleovan-tena ».
Nanamora ny fanatanterahana izao tetikasa izao ny Governemanta malagasy tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Indiana amin’ny alalan’ny Masoivoho an’i Inde eto Madagasikara. Ka ity « Jaipur Foot Camp » ity ihany koa araka izany dia manamafy hatrany ny fifandraisan’ny Firenena roa tonta (Madagasikara sy Inde).
Nangonin’i LR.




