Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
BERONONO ANJOZOROBE : Polisy namita iraka maty voapoizina
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Beronono Anjozorobe, omaly maraina. Raha araka ny angom-baovao avy any an-toerana, dia « Officier de police » iray no nodimandry, omaly tany an-toerana. Taorian’ny fizahana nataona mpitsabo tany an-toerana, Raha ny nambaran’ny mpitsabo, dia efa ny alina izy no namoy ny ainy vokatry ny fanapoizinana nanjo azy. Ny komandin’ny kaompania ao Anjozorobe no nanokatra ny fanadihadiana haingana, manoloana ity trangana fahafatesana mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena ity. Ny mpitandro filaminana miandraikitra iny faritra iny, dia nikarakara haingana ny fampiakarana ny razana ho aty Antananarivo, taorian’ny fanatanterahana ny pitsopitsony ara-taratasy rehetra. Raha ny angom-baovao hatrany, dia anisan’ireo polisy namita irana tany an-toerana izy, izay avy amin’ny Fip Antananarivo. Ho fantatra miandalana eo ihany ny tena antony nahatonga izao fanapoizinana ity mpitandro filaminana ity, aorian’ny fanadihadiana.
Tiana ny manamarika, fa mitady miseholany ity resaka fanapoizinana ity, ka tokony ho mailo hatrany, indrindra amin’ireny famonjena lanonana isan-karazany ireny. Vao ny 21 oktobra lasa teo no nitrangana seho hafahafa tao Beratsimanina, anatin’ny distrikan’i Maevatanana. Nandritra ny fanasana azon’ity ben’ny Tanàna sady nirotsaka ho kandidà tao amin’ny kaominina Beratsimanina, anatin’ny distrikan’i Maevatanana ity no nitolefika tampoka. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly tao Maevatanana izy, saingy namoy ny ainy izy. Voalaza fa efa narary nandritra ny fotoana lavalava ity kandidà ben’ny Tanàna any an-toerana ity, saingy tsy nanohy ny fitsaboana tokony ho notohizany. Anisan’ny antony namoizan’ny aina izany. Na izany aza, nahoraka tany an-toerana fa vokatry ny mosavy no nahatonga azy namoy ny ainy io. Marihina fa isan’ireo kandidà lany nandritra tamin’ny fe-potoana farany teo izy.
Pierre M.




