Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANINTSANAN’NY CAN 2025: Miandrandra fandresena ny Barea amin’ny fihaonana amin’i Tunisie anio
Hotanterahina any Pretoria – Afrika Atsimo ny fifandonan’ny Aigles de Carthage an’i Tunisie sy ny Barea an’i Madagasikara anio amin’n’ny 7 ora hariva, izay tafiditra amin’ny andro faha-5 eo amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 izay ho atao any Maroc.
Vonona hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny CAN 2025 ireo 24 mirahalahy nantsoin’i Rôrô na Rakotondrabe Felix Romuald mpanazatran’ny Barea. Eo amin’ny mpiandry tsato-by no ahitana an’i Zakanirina Rakotoasimbola (Elgeco Plus Madagascar) sy Teva Gardies ary Sonny Laiton. Ny vodilaharana dia i Rado Niaina Rabemanantsoa (Elgeco Plus Madagascar), Elysée Tony Randriamanampisoa (Elgeco Plus Madagascar), Thierno Millimino (US Mondorf-Les-Bains Luxembourg), Tantely Avotriniaina Rabarijaona (Disciples FC Madagascar), Morgan Blaise Jean Pierre (US Orléans), Thomas Fontaine (FC Sochaux-France), Sandro Denis Tremoulet ary Gueguen Davidson (Villefranche). Ny mandrafitra ny eo afovoan’ny kianja dia Ibrahim Amada Samuel, Rojolalaina Andriamanjato (Saint Pauloise-La Réunion), Marco Ilaimaharitra, Lalaina Cliver Rafanomezantsoa (CFFA), Rayan Raveloson Arnaldon (AJ Auxerre-France) ary N’Zi Johan (Lokomotiv Plovdiv-Bulgarie). Ny lohalaharana kosa dia El Hadari Heriniaina, Ryan Ponti (US Orleans-France) , Fenohasina Gilles Razafimaro (Ajesaia Madagascar), Tokinantenaina Olivier Randriatsiferana (Saint Pauloise-La Réunion), Njiva Rakotoarimalala (Ratchaburi FC-Thailande), Arnaud Randrianantenaina (El Gouna FC-Egypte) ary Caddy Warren (Paris FC-France).
Miteraka resabe hatrany ny famoahana ny lisitra an’ireo 24 mirahalahy ireo, tamin’ny andro faha-3 sy faha-4 moa aza dia andro vitsy mialohan’ny lalao vao nivoaka ny anaran’ireo nandrafitra ny Barea an’i Madagasikara, tsy vita an’izany fa eo ihany koa ny fampijoroana ireo 11 miakatra kianja voalohany sy ny fanoloana mpilalao. Manontany tena ireo mpilalao baolitra kitra sy mpitia hoe : “Mahaleo tena tanteraka ve ny mpanazatra amin’ny fisafidianana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena?”. “Misy amin’ireo mpilalao mantsy no tsy mba manana klioba akory na tsy mba miakatra kianja rehefa misy lalao ataon’ny klioba misy azy ireo nefa rehefa ao amin’ny ekipam-pirenena dia tompon-toerana avy hatrany , atao ankilabao ireo mpilalao eto an-toerana” hoy hatrany izy ireo.
Raha tsiahivina ny dingana nolalovan’ny Barea an’i Madagasikara eo amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 dia, resin’i Tunisie 1 no 0 teo amin’ny andro voalohany, nanao ady sahala 1 no 1 tamin’i Comores sy Gambie ary resin’i Gambie 1 no 0 indray teo amin’ny andro faha-4. Mitarika vonjy maika ao amin’ny vondrona A i Tunisie, faharoa i Comores manana isa 6, fahatelo i Gambie manana isa 5 ary mamarana ny filaharana ny Barea an’I Madagasikara manana isa 2 monja.
Ny Alatsinainy faha-18 Novambra kosa ny fifandonana amin’ny “Coelacanthed” avy any Comores sy ny Barea an’i Madagasikara, izay hatao any Maroc.
Njaratiana.



