PolitikaSongadim-baovao
LOHOLONA ANDRIANANDRASANA TAHINA: “Tsy diso lalana ny vahoaka ao an-damosin-dRamanantsoa Harilala kandidà”
“Tsy misy mpanaratsy hilaza ny tsara na oviana”, hoy ny Loholona Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, raha naneho hevitra mikasika ny fanehoan-kevitry ny kandidà Ben’ny tanàna iray avy amin’ny fanoherana, eto Antananarivo Renivohitra. Raha ny amin’ny fandrotsahana olona hofidiana avy amin’ny vovonana IRMAR dia efa voaomana mialoha amin’ny alalana fifampiresahana sy fifaneraserana, ary fifampitaizana anaty tontolo politika sy ara-piarahamonina, ka naharesy lahatra ny besinimaro ary natolotra hisalotra ny anarana IRMAR. Anisan’izany ny kandidà Ramanantsoa Harilala, izay natolotry ny vovonana IRMAR, hoy ny Loholona. Nomarihany araka izany, fa tsy olo-kolom-poana ny natolotra ho mpifaninana eto Antananarivo Renivohitra amin’ity indray mitoraka ity, fa olona tena tompon’andraikitra sy mahafantatra tsara ny mahasoa sy ny mahatsara. “Tsy hivarotr’olona am-pitsanganana izahay, fa izy no vehivavy tokana notsongaina tao anatin’ny maro”. Tsy kisendrasendra ihany koa ny nahazoany ny laharana faha-07 amin’ireo mpifaninana aminy, fa misy dikany amin’ny maha Kristianina, maha Malagasy, izay midika ho zava-dehibe satria, midika fahafenoana, tolo-Janahary ho an’Antananarivo ihany koa, satria fantany ny mahasoa azy. Nambarany, araka izany, fa tsy diso lalana ny vahoaka manaraka ity kandidà laharana faha-07 eto Antananarivo Renivohitra ity, raha oharina amin’ny fanehoan-kevitry ny kandidà avy amin’ny fanoherana.
Eo anatrehan’izany indrindra, notsiandrian’ny Loholona Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, fa tsy tokony hisy fifandrefesan-kery fa matoa misy ny fifaninanana dia tokony hisy fahavononana. “Tsy toy ny filazan’ny sasany ny tenany ho toy ny liona akory, ny kandidà N°07, fa raha izany dia tsy hikatsaka afa-tsy izay ho anjaran’ny tenany izay hitoetra eo amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, ary tsy misy afa-tsy toeram-pizahana ho azy Antananarivo ka ho fahirano hatramin’ny vahoaka ao aminy. Noho izany, tsy mendrika atolotra ho eo ambavan’ny liona Antananarivo sy ny vahoaka ao aminy”, nanampy fanazavana manoloana ny fanehoan-kevitry ny kandidà-n’ny fanoherana ny Loholona. Ny mifanohitra amin’izany, ny kandidà Ramanantsoa Harilala, dia niaina teo anivon’ny fiarahamonina, mahita sy mahalala ny zava-misy ambony ambany, ary mahatsapa ny fahasahiranana iainan’ny vahoaka ankehitriny, fa indrindra mahita ny fomba hatao hanarenana ny fiainam-bahoaka. Misolo tena ireo vahoakan’Antananarivo maro an’isa kosa, Ramanantsoa Harilala, raha nilaza hoe “Antsika ny tanàna”, izay nomarihan’ny Loholona fa, ny tenin’ny vahoaka no nentiny sy nampisehoany fa “an’ny vahoaka ny tanànan’Antananarivo”. Teny nentina nanentanana ny maro ho tompon’andraikitra tonga saina izany, mba tsy ho varimbariana ka holalaovin’ny hafa izay mihevitra ny tenany, kanefa tsy izy akory, hoy ny Loholon’i Madagasikara. Ny mponin’Antananarivo Renivohitra, araka izany, no tompon’andraikitra ka handray andraikitra manoloana io adidy goavana hatrehina ny faha-11 desambra ho avy izao io.
Stan R.




