Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FAHARESENA NISESISESY…: Tsy tafita amin’ny CAN 2025 ny Barea, nametra-pialana ny mpanazatra Rôrô
Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea an'i Madagascar i Rôrô taorian'ny faharesena 3 no ho 2 nanoloan'i Tunisie teo amin'ny andro faha-5 ny fifanintsanan'ny CAN 2025, omaly, tatsy Afrika Atsimo.
Ady sahala ny vokatra tsara indrindra azon’ny Barea an’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanan’ny CAN 2025. Resin’i Tunisie 1 no ho 0 teo amin’ny andro voalohany, nanao ady sahala 1 no 1 tamin’i Comores sy Gambie ary resin’i Gambie 1 no 0 indray teo amin’ny andro faha-4. Mitarika vonjy maika ao amin’ny vondrona A i Tunisie. Faharoa i Comores manana isa 6, fahatelo i Gambie manana isa 5, izay hifandona anio. Mamarana ny filaharana ny Barea an’I Madagasikara amin’ny isa 2 monja.
Nandrombaka ny tapakilany hiatrehana ny CAN 2025 i Tunisie rehefa nandresy ny Barea an’i Madagasikara tamin’ny isa tery dia tery, 3-2. Mbola tany amin’ny fotoana fanampiny farany indray no nahavery tanteraka ny fanantenan’ny Barea an’i Madagasikara, izay nahazoan’ny Aigles de Carthage an’i Tunisie ny fandresena tao Pretoria – Afrika Atsimo. Na dia nilalao folo aza i Tunisie nanomboka teo amin’ny minitra faha-89 noho ny karatra mena azon’i W. Kechrida, mbola nahavita nampiditra baolina tao amin’ny haranton’i T. Gardies i Tunisie teo amin’ny minitra faha-93. Raha hiverenana ny lalao omaly dia, vao 6 minitra ny fidirana voalohany dia efa nahatafiditra baolina iray i Tunisie tamin’ny alalan’i H. Rafia, noho ny fikoropahana dia nahatafiditra baolina tsinahy tao aminy i A. Memmich teo amin’ny minitra faha-20 sahala 1 no ho 1 ny isa teny amin’ny solaitra be. Nitarika 2 no ho 1 i Tunisie teo amin’ny minitra faha-39 tamin’ny baolina nampidirin’i S. Ltaief, nahavita nanasahala ny isa indray ny Barea an’i Madagasikara teo amin’ny 45+3 baolina nampidirin’i I. Amada, io isa io no netin’ny roa tonta nialasasatra. Baolina matin’i Ali Abdi tamin’ny minitra faha-90+3 no nahazo an’i Tunisie ny tapakila ho any amin’ny CAN 2025, izay ho tanterahina any Maroc ny 21 desambra 2025 hatramin’ny 18 janoary 2026 andiany faha-35.
Tantara sisa…
Marary tanteraka ankehitriny ny baolina kitra Malagasy, nipetraka ho tantara sisa ny nandraisan’ny Barea an’i Madagasikara anjara tamin’ny CAN 2019. Na ny kianja hilalaovana aza moa tsy manaraka ny fenitra takian’ny CAF. Mahazo vahana hatrany ireo mpilalao avy any ivelany na dia tsy nanome vokatra azo raisina aza hatramin’izao, ary tsikaritra ho atao ankilabao ireo mpilalao avy eo an-toerana.
Fihaonana amin’ny Comores no hamaranan’ ny Barea an’i Madagasikara ny andro faha-6 ny fifanintsanan’ny CAN 2025. I Comores izay manana herijika hiatrika indray ny CAN 2025 raha maharesy an’i Gambie anio.
Njaratiana.




