Politika

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : « Miaina ao anatin’ny demokrasia ny Firenena »

« Malalaka ny eto amintsika ary miaina anaty demokrasia », hoy ny Praiminisitra.

Nigadona teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Marihina fa tsy tazana sy tsy re firy izy, tamin’iny herinandro lasa iny. Inona marina no antony ? Tsy nihafahafa ny tenany namaly ny ahiahin’ireo vahoaka. « (…) Be dia be moa ilay resaka hoe : aiza ny Praiminisitra, maninona izy… Izaho aho izao. Dia ny zava-dehibe fotsiny dia izao : ny olombelona rehetra dia nofo aman-drà ary ao anatin’izany dia tsy maintsy misy foana ny fanaovana fitsirihina ara-pahasalamana izay tsy maintsy atao. Izay no zava-nisy, ary tsy tokony handeha ankoatra ny lafiny ohatran’izany. Misy miteny hatramin’ny hoe voan’ny AVC ny Praiminisitra ; voan’ny fanapoizinana ny Praiminisitra, sns, sns… Izany no hahatsapanareo tokoa fa raha hino ny zava-drehetra ao anatin’ny « Facebook » ianareo dia ho very. Ary efa voalazako ombieny ombieny fa malalaka ny eto amintsika, miaina ao anatin’ny Demokrasia ity Firenena ity », hoy izy.

Mila fahatongavan-tsaina…

Tsy niolaka ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, nanambara ny mahakasika ny tambajotra ara-tsosialy sady  nanantitrantitra fa « be dia be ny Firenena amintsika miteny izao, no tsy manaiky ny fisian’ny zavatra ohatra izany. Miditra any am-ponja mihitsy, ary tapahina ny Facebook amin’ny Firenena maro, izay averiko fa Firenena mandroso, mandala ny demokrasia, ary tsy kianina mihitsy, eran-tany ». Nasongadiny fa

isika dia miaina ao anatin’ny demokrasia. Izany demokrasia izany mila fanabeazana, mila fahatongavan-tsaina, mila samy  tomponandraikitra dia ho antsika Malagasy rehetra. Tsy izay zavatra resahina dia ho marina daholo.

Nisaorany manokana ireo mpiara-miasa taminy, izay naneho fahatoniana hatrany, teo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra, ny amin’izay tsy fihainoana fahatany ny zava-misy fa mipetraka ao anatin’ny fahatoniana foana, mandinika ary mijery, mamakafaka. Heverina, araka izany, fa nahavaly ireo tsaho niely sy resabe  nandeha tao anaty tambajotra ara-tsosialy ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly iny.

Tags
Fermer